Kandida Zisy Fanavotana sy ny ekipany

«Vonona hiady ho an’Antanifotsy»


  • Alakamisy 11 Aprily 2024

Isan’ny hilatsaka solombavambahoaka ao amin'ny distrikan’Antanifotsy ny kandida mahaleotena, Rakotondrazafy Justin,

fantatry ny maro amin'ny anarana oe Zisikely na Zisy Fanavotana, satria dia tafapetraka teny amin’ny OVEC Antanifotsy ny taratasy filatsahan-kofidiany ny alatsinainy 8 aprily 2024 teo, niaraka tamin'ny lisitra faharoany fantatry ny maro amin'ny anarana oe ramose Etienne, hoy ny fampitam-baovaon’ity kandida ity. Mirafitra kaominina miisa 14 i Antanifotsy, hoy ity kandida ity. Ben’ny tanàna miisa 11 amin’ireo kaominina ireo no nisafidy ny tenako ho arotsaka ato Antanifotsy. Latsaka an-katerena ny distrikan’Antanifotsy raha tsy hiresaka fotsiny afa-tsy ny lalana izay lalan-dràn’ny kaominina. Na dia tsy mpanao lalana aza ny solombavambahoaka dia mba afaka mitatitra ny mararin’ny vahoaka eo anivon’ny fahefana mpanatanteraka sy manao lalàna mifandraika amin’izay mangirifiry amin’ny vahoaka izay. Vonona hiady ho an’Antanifotsy izaho sy ny ekipako, hoy hatrany ity kandida nanamafy fa mahaleotena ity.
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • 14 oktobra
  • Zoma 02 Oktobra 2026

Fetim-pirenena ho an'ny Fahafahana

  • TSIAHIN’NY
  • Zoma 02 Oktobra 2026

TOLONA- TANORA GEN Z

  • Politika ampiharina
  • Zoma 02 Oktobra 2026

eny anivon'ny Minisitera

  • Alain Mahavimbina
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

« Aza mifanilika, ilaina ny tanora,

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

"Tsy sehoseho ivelany

  • Ben’ny tanàna
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

lanim-bahoaka any Betafo

Hijery ny tohiny
FTT