KANDIDA WILLIAM

Hanohy ny asa efa vitany tao Itaosy


  • Talata 26 Novambra 2024

Hanohy ny asa efa natombony tao amin’ny Kaominina Itaosy, distrikan’Atsimondrano ny Kandida Ben’ny tanana Randrianomenjanahary William laharana faharoa.

Aminy mantsy dia tsy misy ohatra ny fanohizana ny asa vita ihany no hahafahana mampandroso ny Kaominina iray. Betsaka ny asa efa vita hoy izy ary hetahetan’ny vahoakan’Itaosy ny hanohizana izany, antony hirotsahako hofidiana ho Ben’ny tanana amin’ny datin’ny 11 Desambra ho avy izao. Afak’omaly Alahady 19 Novambra moa vao nisantatra ny fampielezan-kevitra Ben’ny tanana tanterahiny tao amin’ny tranom-pokonolona Anjakaivo Itaosy ity Kandida iray natolotry ny tsy miankina ao Itaosy Atsimondrano ity. Nitohy tamin’ny filaharambe namakivaky ny tanana izany izay nofaranana teo anoloan’ny Kaominina Itaosy. Ho azy ireo moa dia tsy ny fakana fiara sy artista hampifaliana vahoaka no tena zava-dehibe fa ny fahatsapan’ireto farany fa hafa ihany ny olona mahavita zavatra toa an’ny Ben’ny tanana William. Efa taona maro moa no niasany tao amin’ny kaominina Itaosy ka izy no lefitra voalohan’ny Ben’ny tanana farany teo. Pati
Legende : Faly tahaka izao ireo vahoaka nanaraka ny Kandida William Randrianomenjanahary !

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

"Tsy sehoseho ivelany

  • Ben’ny tanàna
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

lanim-bahoaka any Betafo

  • Razafindrandriatsimaniry Marie
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Dieudonné Michel

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Ny Malagasy ihany no

  • Ben’ny tanàna Nosy Hell Ville
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

« Betsaka ny zava-bitako,»

  • FITAKIANA IREO "ILES EPARSES"
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Velona indray ny fanantenana

Hijery ny tohiny
FTT