Kandida voatory eny amin’ny HCC

Manana 48ora hiarovan-tena


  • Zoma 07 Jona 2024

Mafampana ny raharaham-pifidianana, betsaka ny fitoriana tonga eny amin’ny Fitsarana avo momba ny lalàmpanorenana na ny HCC.

Any amin’io rafitra io no mety hampilamina na hampikorontana ny toe-draharaham-pirenena. Betsaka ny ahiahy eo anatrehan’ny efa firesaka sy fahasahian’ny kandidam-panjakana toa maneho fa mahatoky ny HCC hanome rariny azy mba hanasazy ny kandida maharesy, ka hitsimbadihan’ny vokatra. Eo anatrehan’ireo raharaham-pitoriana samihafa, namoaka fanambarana ny HCC ka nilaza fa mba ho fanajàna ny zon’ny mpilatsaka hofidiana ho solombavam-bahoaka hitondra ny fehin-teny manoloana ny fitoriana izay misy, dia napetraka ny fandaminana. Ankoatran’ny fandefasana ny dika mitovy amin’ny fitoriana amin’ny alalan’ny Paositra Malagasy, niantso ireo kandidà mahaleo tena na ny solon-tenany mba hampahafantatra sy haka ny dika mitovy amin’ny fitoriana ao amin’ny foiben-toerany Ambohidahy ny eo anivon’ny Firaketan-draharahan’ny HCC. Ny fitoriana mahakasika ireo kandidà atolotry ny antoko na vondrona politika dia alefa any amin’ny adiresy misy ny foiben-toeran’izy ireo. Ireo tsy tratra antso dia ampahafantarina amin’ny alalan’ny filazàna izay hita ao amin’ny tranokalam-pifandraisan’ny Fitsaràna Avo momba ny Lalampanorenana www.hcc.gov.mg na ny pejy facebook Haute Cour Constitutionnelle Madagascar na peta-drindrina eto amin’ny foiben-toeran’ny andrim-panjakàna. Nomarihina fa araka ny voalazan’ny andininy faha-50 amin’ny lalàna fehizoro laharana faha-2018-010 tamin’ny 11 may 2018 mikasika ny fifidianana solombavambahoaka eo anivon’ny Antenimierampirenena dia omena 48 ora, manomboka ny fotoana nandraisany na nampahafantarana azy ny fitoriana ireo kandidà voakasika mba hanome ny fehin-teny fiarovana. Nampahatsiahivina ny rehetra ihany koa fa 16 andro fara-fahaelany aorian’ny fivoahan’ny vokatra vonjimaika no mamoaka ny vokatra ofisialy ny Fitsaràna Avo momba ny Lalampanorenana. Any amin’ny HCC ny baolina, ka dia andrasana izay hafitsony !
Toky R

 

 


 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Fanenjehana
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

an-dRajoelina, Ntsay Christian,…

  • Nampahatsiahy ny
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

antoko politika Teza

  • Julien Andriamorasata
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

«Iankinan’ny fiainam-pirenena

  • Madagasikara-Frantsa
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Mihenjan-droa ny tady, miverina sarin’ny 2008…

  • ANTOKO PDS
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Handroso làlam-panorenana

  • Raharaha fanakorontanana,
  • Alarobia 29 Aprily 2026

diplaomasia mafampana…

Hijery ny tohiny
FTT