Kandida tsy miankina Sambo ao Iakora

Mitarika lavitra be manoloana ny kandidam-panjakana


  • Alarobia 05 Jona 2024

Mitarika ary naman’ny efa mibata fandresena miezinezina amin’ny isan-jato mazava 46,09%

amin’ny alalan’ny mpifidy 6101 ny kandida tsy miankina dia Atoa Sambo dit Rapasy laharana faha-3 ao amin’ny distrikan’Iakora anatin’ny faritra Ihorombe, raha ny vokatra feno tamin’ireo birao fandatsaham-bato 68/68, navoakan’ny SRMV, ka fanamafisana avy amin’ny CENI sy HCC sisa andrasan’ny vahoaka any an-toerana. Vizana tanteraka ny kandidam-panjakana Atoa Tsikilezy Mahazo izay tsy nahazo afatsy 25,25% tamin’ny alalan’ny vato 3342. Kandida tsy miankina Rakotonirina Jimmy Joe kosa no fahatelo izay nahazo salan’isa 23,53 tamin’ny alalan’ny isam-bato 3114. Sambany izany fandresena kandida tsy miankina ny kandidam-panjakana izany tao amin’ity distrika ity, raha ny fanamarihana. Nisy ny fiaraha-mientana teo amin’ny vahoakan’Iakora izay resy lahatra tamin’ny Kandida Sambo, ka nibatany ny fandresena miezinezina.
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • 14 oktobra
  • Zoma 02 Oktobra 2026

Fetim-pirenena ho an'ny Fahafahana

  • TSIAHIN’NY
  • Zoma 02 Oktobra 2026

TOLONA- TANORA GEN Z

  • Politika ampiharina
  • Zoma 02 Oktobra 2026

eny anivon'ny Minisitera

  • Alain Mahavimbina
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

« Aza mifanilika, ilaina ny tanora,

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

"Tsy sehoseho ivelany

  • Ben’ny tanàna
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

lanim-bahoaka any Betafo

Hijery ny tohiny
FTT