Manaraka akaiky ny toe-draharaham-pirenena ny ankamaroan’ny olom-pirenena amin’izao.
Misy mihitsy ny sahy nilaza tamin’ny olona sendra anay, fa «tsy vitan’ny hisolovava anay vahoaka ireo kandidà ho lany depiote eo, fa hanara-maso ny lalàna alohan’ny handaniana na tsia izany. Izao anefa, misy sahady ireo kandidà hofidina solombavambahoaka no tsy manara-dalàna tsy miandry akory ny daty hanombohan’ny fampielezan-kevitra dia ny 29 novambra ho avy izao izay haharitra 21 andro ny kandidà sasany saro-tahotra sy tsy matoky tena zatra ny fomba ratsy sy lalam-poza tao anatin’ity tetezamitatra ity».
Tsorina eto fa betsaka ireo kandidà matahotra hisedra vahoaka amin’ny fifidianana ka mandrovi-tsihy mitady ny fomba rehetra hanohizany ny tetezamitany izay tsy eken’ny vahoaka intsony. Ny sasany amin’izy ireo mamokovoko mividy sahady ny vaton’ny mpifidy amin’ny fizarana vola kely manararaotra ny fahantran’ny vahoaka. Ireto farany anefa mahafantatra sahady ny hofidiany. Hatramin’izay anefa, hoy ny takoritsiky ny olona nandritra ny fizarana nisy, tsy hita izay napoakany teto an-tanàna, efa manakaiky ity ny fotoanam-pifidianana vao mody mambabo fo anay.
Eny amin’ireo tambajotram-pifandraisana tahaka ny facebook ireny dia mamokovoko miezaka mandresy lahatra ny mpikirakira teknolojia ireo kandidà izay tsy miafina intsony manao izay azony atao nidoka tena ka manentana ireo olona mpampiasa ity seraseram-pifandraisana ity, amin’ny alalan’ny sary tsara voatra, teny tsara lahatra. Ho diso fanantenana toy ilay kandidàm-panjakana nanao fafy katrana vola sy nanao tery vay manta ny olom-panjakana no hahazo an’ireto mpangalatra «départ» manao fampielezan-kevitra mialoha ny fotoana ireto, hoy ny mpanara-baovao.
E.R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.