Kandida Sylvia Ranaivojaona

Hamerina ny politikan’ny kibo


  • Talata 05 Septambra 2023

Tontosa omaly tetsy Antsakaviro koa ny fanolorana sy fanambarana tamin’ny fomba ofisialy

ny kandida ho filoham-pirenena avy amin’ny fikambanana Madagascar perfect, Sylvia Ranaivojaona. Vonona hanangana firenena aho, hoy ity kandida ity. Tarihin’ny fanahy masina isika. Tsy manaotao foana. Mankasitraka ireo efa manohana ary manentana ny malagasy manontolo hanohana fa na dia izao fahasahiako izao fotsiny aza dia efa zava-dehibe. Manaja ny andininy faha 19 ao amin’ny lalàmpanorenana amin’ny mpiasam-panjakana ambony ny tena raha azo raisina ny dosie amin’ny fotoana hanaterana izany eny amin’ny HCC. Miandry an’izay isika dia mitety an’i Madagasikara iraimanontolo. Efa tany amin’ny 30 taona lasa no nanomanana ny vina. Tsy tongatonga foana izao filatsahako izao, hoy hatrany ny tenany. Nilaza ny hamerina ny politikan’ny kibo ity kandida ity ary nilaza fa tsy tena tamin’ilay notadiavina no tontosa tany aloha na koa hoe tsy “perfect”. Fanampin’izay koa, hoy izy, ny fahandriampahalemana sy fanabeazana. Misy ireo nahavita fianarana. Mihidy anaty “tiroir” na fitoeran’entana ny voka-pikarohany nefa tokony hampiasaina amin’ireo tetikasa hampandrosoana ny firenena toy ny hoe fampiasana fasika ho lasa vera, ohatra. Kandida hanangana firenena aho. Hatramin’ny 22 aogositra izahay no efa nivonona tamin’ny fametrahana antotan-taratasy. Noho ny lamina dia ho atao tsy ho ela ny fametrahana izany, hoy hatrany ny tenany.
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Praiminisitra Mamitiana Rajaonarison
  • Alakamisy 07 Mey 2026

« Tsy tia an’i Madagasikara

  • Namaly an’i Roland Ratsiraka
  • Alakamisy 07 Mey 2026

ireo fiarahamonim-pirenena

  • Pr Joseph
  • Alarobia 06 Mey 2026

« Ara-dalàna sy valin'ny nataony

  • Fanenjehana an-dRajoelina
  • Alarobia 06 Mey 2026

Hosantarina amin’ny

  • Mbola mafana ny dosie Raholdina
  • Alarobia 06 Mey 2026

Mifanipaka ny resaky ny PAN

  • Antenimierampirenena
  • Alarobia 06 Mey 2026

Raharaha maro hodinihina anatin’ny 60 andro…

Hijery ny tohiny
FTT