Politique

Kandida sy ny vinan’ny FTT Efa niomana hatramin’ny taona 2010


  • Zoma 18 Aogositra 2023

Kandida ofisialin’ny Firaisankinan’ny tia tanindrazana na FTT ny tenako, Tahina Razafinjoelina, araka ny fanapahan-kevitry ny antoko nandritra

ny kaongresy nasionaly ny zoma 11 aogositra lasa teo tany Fianarantsoa, hoy ny kandida ho filoham-pirenena sady filoha mpanorina ity antoko politika ity, Tahina Razafinjoelina, nampahatsiahy omaly. Nanoloana ireo mpizaika manodidina ny 3000 isa avy amin’ny lafivalon’ny nosy no nanolorana izany, hoy izy. Nitsodrano ahy mba hahavita be amin’ny vina tsara ananany ho an’ny firenena ireo solontenan’ny Raiamandreny tao Fianarantsoa. Nahitana ireo mpiaradia politika maromaro ihany koa tany an-toerana. Mbola nohamafisiny tao Ambositra sy Fandriana ary Antsirabe izany fahavononana izany. Vonona efa nanomboka ny taona 2010 ny vinan’ny Firaisankinan'ny Tia Tanindrazana matoa mirotsaka ho fidiana ary miroso ny fametrahana ireo toeram-piasana isam-paritra sady toeram-panofanana nomerika ihany koa. Tahaka ny ao Fianarantsoa sy Antsirabe, sy any amin’ny faritra hafa manerana ny nosy, hoy hatrany ny fampitam-baovao sy fanamafisan’ity kandida ity izay fahavononany izay.
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Catherine
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

VAUTRIN

  • POLITIKA
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Mandeha ny kajikajy

  • ZAZA RAMANDIMBIARISON
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Tsy tokony ho tara ny

  • Pastera Heritiana
  • Talata 06 Oktobra 2026

_Fampandrosoana an’i Madagasikara

  • FAMPIHAVANANA POLITIKA
  • Talata 06 Oktobra 2026

Tsy tokony atao fitaovana

  • Fikaonandoham-pirenena
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

Ny Mpitandrina Barinarivo

Hijery ny tohiny
FTT