Tena hafotaka tokoa raha ity fifidianana hakana ny toerana solombavambahoaka eto Madagasikara amin’ny 20 desambra ho avy izao ity raha jerena fotsiny amin’ny isan’ireo kandidŕ navoaka ofisialy fa hifaninana amin’izany.
Efa ahenoana fimenomenomana isan-karazany ankehitriny any amin’ny Faritra maro manerana ny Nosy. Hosinganintsika amin’ireny ny miseho any Betroka, Faritra Anosy izay ahitana kandidà mpiasam-panjakana mbola am-perinasa mbola mampiasa ny fahefam-panjakana hampahafantarana sy hanasongadinan’izy ireo ny tenany. “Manararaotra ve sa mihevitra ny vahoaka ho kentrina ireo kandidà ireo ka manao tsinontsinona azy ?”, hoy ny feo avy any an-toerana.
Ny any Ambatondrazaka sy ny manodidina any amin’ny Faritra Alaotra indray kosa dia mifanaratsy an-toerana ireo samy kandidà ho solombavambahoaka. Izahay anefa, hoy ny MCT Odette Brenda kandidàn’ny Ankolafy Ravalomanana, dia tsy hidoka tena toy ny papelika sanatria fa mba tena anisan’ny nanao ny ainay tsy ho zavatra niaritra ny tolona natao hamerenana ny ara-dalàna sy ny famerenana ny filoha Marc Ravalomanana an-tanindrazana hatramin’ny niandohany tamin’ny taona 2009.
Manohy
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.