KANDIDA SOLOFOHARIMANANA BRUNO

Hotohizana ny asa vita


  • Alatsinainy 09 Desambra 2024

Hotohizana ny asa vita hatramin’izay ho an’ny Kandida laharana faha-3 natolotry ny tsy miankina Solofoharimanana Bruno

ao anatin’ny Kaominina Fenoarivo, distrikan’Atsimondrano. Betsaka ny zava-bitany tao anatin’ny 5 taona nitantanany ka tsy avela ho very maina izany mba hisian’ny tena fampandrosoana marina ao anatin’ity kaominina iray ity. Tsy nisy izay tsy nanaovana asa ny Fokontany miisa 12 misy raha ny nambarany tamin’ny vahoaka tao Antanety afak’omaly Sabotsy 07 Desambra. Efa mahatratra 10 ireo sekoly ambaratonga fototra misy, nametrahana mpiambina miisa 5 izay karamain’ny kaominina mba tsy ho vesatry ny Ray aman-dReny. Efa napetrahana prescolaire ihany koa ao Ambohijatovo Antanimena narahin’ny asa fanamboaran-dalana…Efa vita ao anatin’ny 20 minitra ihany koa amin’izao ny taratasy karakaraina eo anivon’ny Kaominina raha efa voaloha avokoa ny trosan’ny Cnaps 32 tapitrisa Ar ary efa mandray retraite avokoa ny mpiasa. Hotohizana araka izany ny asa ho an’ity Kandida iray ity ka nisy ny fanentanany ireo olom-pirenena feno 18 taona rehetra mba handrotsa-bato ho azy afaka rahampitso Alarobia 11 Desambra.
Pati
Legende : Tahaka izao ny hamaroan’ireo vahoaka manaraka ny Kandida Solofoharimanana Bruno ao Fenoarivo !
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

"Tsy sehoseho ivelany

  • Ben’ny tanàna
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

lanim-bahoaka any Betafo

  • Razafindrandriatsimaniry Marie
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Dieudonné Michel

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Ny Malagasy ihany no

  • Ben’ny tanàna Nosy Hell Ville
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

« Betsaka ny zava-bitako,»

  • FITAKIANA IREO "ILES EPARSES"
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Velona indray ny fanantenana

Hijery ny tohiny
FTT