Politique

Kandidŕ senatera TIM Antananarivo Tohanana fa olona mahavita azy


  • Alakamisy 10 Desambra 2015

Marina fa nisy ny toromarika niraisana avy amin’ny filoha mpitantana amin’ny maha antoko politika ny Tiako i Madagasikara manolotra kandidŕ hofidiana senatera ny tsirairay no tokony ho tonga saina sy mieritreritra tsara ny kandidŕ tokony

 

hotohanana fa handray anjara amin’ny fampandrosoana marina an’i Madagasikara. Olona mahavita azy ny lisitra TIM Antananarivo. Mazava ny voalazan’ny filoha nasionaly, Marc Ravalomanana hoe  : na tsy tany miady aza isika eto Madagasikara, tsy misy loza voajanahary mianjady,  nefa aiza ny toerana misy antsika manoloana an’i Afrika fa tsy aorian’ny farany ? Resaka tsy fahaiza-mitantana sy fitiavan-tena no manjaka eto ka hiady isika,  hoy  Atoa Fetra Razafitsimialona filohan’ny vaomieran’ny fitantanam-bola sy fampiasam-bola ao amin’ny mpanolotsain’ny tanànan’Antananarivo. Mino aho, hoy izy, fa hiady ireo ho an’ny vahoaka malagasy hanao lalàna izay hampandroso ny firenena ka manentana ny namana rehetra mpanolotsaina vaventy hifidy ny lisitra TIM n° 9 amin’ny 29 desambra ho an’ny Faritanin’Antananarivo. Ary araka ny resaka nifampiresahana tamin’ireo mpanolotsaina tsy miankina namana dia betsaka ny nilaza ho vonona ny hanohana ny kandidà  TIM ho senatera ka ny hafa aza moa vonona ka ny tena indray ve no hiraviravy tanana ?

Ntsoavina Evariste

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Noho ny fiaraha-miasa
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

amin’ny Rosianina

  • Elia Rabevahiny
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Andao re irosoana

  • Diplaomasia
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

sy toekarena

  • TIM
  • Talata 27 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

  • Antoko politika Maeva
  • Talata 27 Oktobra 2026

«Sao tokony hamboarina

  • Tanora Monima
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

«Miha matanjaka ny BRICS,

Hijery ny tohiny
FTT