KANDIDA RANDRIANTSOA JIMMY

Fotoam-pivavahana no nanokafany ny fampielezan-kevitra


  • Alarobia 20 Novambra 2024

Fotoam-pivavahana lehibe nentina nisaorana sy niderana an’Andriamanitra no sady

nitondrana am-bavaka ny fampielezan-kevitra no nentin’ny Kandida Ben’ny tanana Jimmy Randriantsoa nisantarana izany omaly Talata 19 Novambra folakandro tao amin’ny Ekar katolika Alasora. Ho an’ity Kandida laharana fahadimy mpifaninana ao Alasora ity mantsy dia tena zava-dehibe ny fanankinana ny zavatra rehetra hoatao eo am-pelatanan’Andriamanitra mba hisian’ny fahombiazana. Tompon’andraikitra marobe no tonga nanotrona azy tamin’izany nahitana ny Solombavambahoakan’Avaradrano lany tamin’ny anaran’ny Vovonana Firaisankina Avotraina Andriamosa. Toraka izany koa ireo mponin’Alasora izay tena tonga marobe tokoa. Nisy ny fitondrana am-bavaka ity kandida ity sy ny firenena nandritra izany indrindra ny lalana tsy maintsy hodiavina mialohan’ny datin’ny 11 Desambra hanatanterahana ny fifidianana Ben’ny tanana manerana ny Nosy.
Pati
Legende : Ny Kandida Ben’ny tanana Randriantsoa Jimmy ao anatin’ny kaominina Alasora !
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

"Tsy sehoseho ivelany

  • Ben’ny tanàna
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

lanim-bahoaka any Betafo

  • Razafindrandriatsimaniry Marie
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Dieudonné Michel

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Ny Malagasy ihany no

  • Ben’ny tanàna Nosy Hell Ville
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

« Betsaka ny zava-bitako,»

  • FITAKIANA IREO "ILES EPARSES"
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Velona indray ny fanantenana

Hijery ny tohiny
FTT