Nanomboka ny Fampielezan-keviny ny sabotsy teo ny Kandida Solombavambahoaka laharana faha-7 eny amin'ny Boriborintany fahadimy Ranaivoson Jean Désiré.
Tamin'ny alalan'ny fitetezana ny faritra afovoan'ny Boriborintany fahadimy dia ny faritra Manjakaray sy Anjanahary ary Ambatomainty sy Amboditsiry izany. Tsapa tamin'izany fa fifankahitan'ny tia sy ny manina no nitranga. Tsy adinon'ny mponina teny amin'iny faritra iny tokoa mantsy ny asa vita sy ny fikarakarana nataon'ity kandida ity ny vahoaka fony izy lehiben'ny Boriborintany fahadimy ka nisy avy hatrany ny fifandraisana am-po. Maro ireo mponina no nifandray tanana taminy sy nikopakopa-tanana teny an-dalana ho mariky ny firaisam-po misy eo amin'ny roa tonta. Ambonin'izany dia nafana ihany koa ny fanohanan'ireo tanora marobe azy izany nandeha an-tongotra niaraka tamin'ity Kandida ity namakivaky izany faritra izany arahin'ny hiaka eny an-dalana. Nanome tso-drano azy teo amin'ny Kianja Rainilaiarivony Amboditsiry kosa ny Zokiolona teo an-toerana. Tamin'izany no nanamafisany fa voninahitra sy reharehan'ny Boriborintany fahadimy izay nitaiza azy hatry ny faha kely.
Yves
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.