Diabe nandritra ny 5 ora mahery tsy ankiato notronin'ireo tanora sy olona marobe namakivaky ny faritra atsinanan'ny Boriborintany fahadimy no nanohizan'ny Kandida laharana faha-7 ny fampielezan-keviny.
Arahina lahateny hatrany izany ka nanomboka tao Ambatokaranana, nandalo an'Ambohimirary sy Tsarahonenana ary Andraisoro, avy eo tany Ambatomaro vao Ampanotokana sy Ambohidahy ary nofaranana teo Ankadindramamy sy Nanisana. Nasehon'ireo tanora fa Kandida itokisana sy antenainy hitondra zavatra tsara ho an'ny fireneny Ranaivoson Jean Désiré. Nisy koa ny fitetezana tokantrano nataony ka maro ireo nampandroso an-trano mihitsy nitafatafa. Hatramin'ireo fianakaviana faran'izay sahirana dia nampiantrano azy ary nitafa taminy naneho ny hetahetany. Tamin'ny fifanajana sy tamim-pahendrena tanteraka no nanaovana izany ka saika nanome tso-drano azy ireo raiamandreny sendra azy satria kandida akaikin'ny vahoaka tokoa ity laharana faha 7 ity. Fantatry ny maro tokoa izy na dia anisan'ny be mpandrovitra sy mpanampina indrindra aza ny afisiny.
Yves
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.