Niroso tamin’ny fampielezan-kevitra amin’izay ny kandidà depiote Ratoebolamanana Merci na Ramerci. Fiaraha-nivavaka tamin’ireo mpanohana azy ao Antsirabe I no nanamarihany izany ny alahady 01 desambra lasa teo. «Mila mpisolovava marina hitondra ny teniny ny vahoaka, ary manana hevitra hanarenana ny tanànan’Antsirabe ny tenako ka izay no hiverenako indray”, hoy izy. Tsy miova ny foto-kevitra fa ny tombontsoan’ny besinimaro no tadiavina. Niantso ny Malagasy rehetra hifankatia sy hifamela amin’izay moa ity kandidà ity ka mba tsy hiverina intsony ny fifandrafesana sy famotehana fananan’olona eto Antsirabe toy ny efa nitranga hatramin’izay.
Caïus Raharison
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.