Kandida Raholdina sy ny mpiray lisitra aminy

«Hisokatra amin’ny ankolafin-kery samihafa


  • Talata 09 Aprily 2024

Tafapetraka teny amin’ny OVEC Nanisana ny antontan-taratasy

firotsahan-kofidiana solombavambahoaka eny amin’ny boriboritany fahadimy avy amin’ny IRMAR na Isika rehetra miaraka amin’i Andry Rajoelina. Ny filoha lefitry ny antenimieram-pirenena misahana an’Antananarivo, Naivo Raholdina, no lohalisitra, raha ny fanitsiam-baovao voaray omaly. Lisitra faharoa i Haja Rakotomiandrisoa na Chef Haja, mpanara-maso ny hetra na «Inspecteur des Impôts» , birao TGV Tana 5 , sekretera jeneralin’ny fikambanana Fanantenana FAFI 5. Lisitra fahatelo, Andriamandimbisoa Fanomezana, filoha lefitry ny departemanta TGV no sady filoha lefitry ny fikambanan’ny sefo fokontany miisa 27 manerana ny boriboritany fahadimy. Lisitra fahaefatra, Rajaona Yvette Héléne, filoham-pokontany ao Amboditsiry no sady filohan’ny fikambanam-behivavy eny amin’ny boriborintany fahadimy ary Manager ny TGV eny an-toerana no lisitra fahaefatra. Hanohy ny asa fampandrosoana , hiaro sy hanasoa vahoaka hatrany araka ny efa nahafantarana azy eny amin’ny boriboritany Fahadimy ny kandidà Naivo Raholdina sy ireo lisitra miaraka aminy, hoy ity kandida ity. «Kabary, asa, vokatra» no tarigetra, hoy izy. Hanakaiky hatrany ny vahoaka izahay amin’ity fotoam-piasana fahatelony ity. Hisy ny trano fandraisam-bahoaka ho an'ny fokontany miisa 27 ety amin'ny boriborintany fahadimy. Miisa 35 ny Q.G na biraon’ny antoko ka tsy hosahirana ho any an-trano na any amin’ny birao ny vahoaka hitady anay. Hisokatra amin’ny ankolafin-kery sy antoko ary ny fikambanana samihafa ety amin’ny boriborintany fahadimy ny kandida Naivo Raholdina sy ny mpiray lisitra aminy. Vonona hiara-hiasa sy handray izay rehetra te hanohana sy resy lahatra tamin’ny asa nataony sy mbola ho ataony sy ny ekipa tarihiny, hoy hatrany ny fanazavany.
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • 14 oktobra
  • Zoma 02 Oktobra 2026

Fetim-pirenena ho an'ny Fahafahana

  • TSIAHIN’NY
  • Zoma 02 Oktobra 2026

TOLONA- TANORA GEN Z

  • Politika ampiharina
  • Zoma 02 Oktobra 2026

eny anivon'ny Minisitera

  • Alain Mahavimbina
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

« Aza mifanilika, ilaina ny tanora,

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

"Tsy sehoseho ivelany

  • Ben’ny tanàna
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

lanim-bahoaka any Betafo

Hijery ny tohiny
FTT