Politique

Kandida Praiminisitra Tokony hiala an-daharana ireo efa nanao fanambarana fa hilatsaka hofidiana filoham-pirenena


  • Alatsinainy 24 Oktobra 2011

Nangotraka tanteraka ny fanehoan-kevitra tao amin’ny Magro Avaratsena Antsirabe ny sabotsy 22 oktobra teo.

 Saika niompana tamin’ny fanendrena ny Praiminisitry ny tetezamita moa ny ventin-kevitra tamin’izany. Nivoitra nandritra ny lahateny nataon’ireo nandray fitenenana ary fa raha ny lojika dia an’ny Ankolafy telo ny Praiminisitra satria ireo kandida ankoatra izay dia mpanohana sy efa niray petsapetsa tamin’i Andry Rajoelina avokoa. Nolazain’ireo mpandaha-teny ihany koa fa manana tombony ireo natolotry ny ankolafy Ravalomanana noho izy ireo ananan’ny vondrona iraisam-pirenena fitokisana kokoa raha tena ampiharina ny fifanarahan’i “Cotonou”, izay milaza fa tsy afaka mitondra fanjakana ny mpanongam-panjakana. Ireo natolotry ny filoha Ravalomanana ireo no avy tamin’izay filoha voafidim-bahoaka farany ka rariny raha ireo no miara-mitantana amin-dRajoelina izay efa neken’ny rehetra ho filohan’ny tetezamita.

Nanipika ihany koa ireo mpandaha-teny nilaza fa tsy misy izany hery afovoany izany eto Madagasikara fa na ianao mpanohitra an-dRajoelina na miaraka aminy, ary tsy misy mpanohitra manana mpikambana ao amin’ny rafitra najoron’ny FAT izany mihitsy toy ny CST sy CT na koa minisitra fa olon-dRajoelina avokoa ireo na olona efa nivadika. Tamin’ny maha hetsiky ny mpampianatra tamin’io sabotsy io moa dia nisongadina ny resaka fampianarana ka nilazan’ireo solontenan’ny mpampianatra fa tompon’andraikitra amin’ny famolavolana ireo mpianatra izy ireo ka matoa misy ny tanora nanongam-panjakana dia ny fanabeazana azony no fototr’izany. Fantatra ihany koa fa dia hanao taratasy fanohanana ireo Praiminisitra avy amin’ny Ankolafy telo ireo fikambanana sy herivelona ato amin’ny Magro ka halefa any amin’ny Troika sy ny SADC ho fampahafantarana fa olona marobe no mitaky ny fametrahana ny tetezamita iraisana sy eken’ny rehetra. Nanipika koa moa ireto mpitolona ireto fa tokony hiala an-daharana avy hatrany tsy ho Praiminisitra ao amin’ny tetezamita ireo olona efa nanao fanambarana fa hilatsaka hofidiana ho filoham-pirenena toa an-dry Pierrot Rajaonarivelo sy Monja Roindefo.

Caïus Raharison

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Catherine
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

VAUTRIN

  • POLITIKA
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Mandeha ny kajikajy

  • ZAZA RAMANDIMBIARISON
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Tsy tokony ho tara ny

  • Pastera Heritiana
  • Talata 06 Oktobra 2026

_Fampandrosoana an’i Madagasikara

  • FAMPIHAVANANA POLITIKA
  • Talata 06 Oktobra 2026

Tsy tokony atao fitaovana

  • Fikaonandoham-pirenena
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

Ny Mpitandrina Barinarivo

Hijery ny tohiny
FTT