Mandeha ny resaka amin'izao fotoana izao ny amin'ny fanendrena izay ho praiminisitry ny marimaritra iraisaina.
Ny jly Sylvain Rabotoarison dia anisan'ireo anarana miverimberina matetika eny anivon'ireo mpanao politika. Ity farany izay voalaza fa olona akaiky ny filoha teo aloha ny amiraly Ratsiraka sy Ravalomanana Marc. Tsy dia manana olana aminy ihany koa ny FAT amin'izao fotoana izao, araka ny tsiliantsofina ihany. Ny profesora Zafy no mety ho sakana amin'ny fanendrena ity jeneraly zandary misotro ronono ity raha toa ka tena mitombina ireo voalaza eo ambony. Mifanindran-dalana amin'izay ihany koa ny anaran'i Beriziky Omer izay natolotry ny firehana Zafy. Ireo mpomba ny profesora dia samy variana avokoa tamin'ity safidin'ny firehana Zafy ity.
Nisy mihitsy aza no niteny fa safidin'ny profesora irery io fa tsy an'ny firehana Zafy Albert. Ny anton'izany, araka ny fantatra, dia noho ity olona ity izay tsy ao anatin'ny firehana mihitsy ary tsy hita nitolona na indray mandeha monja aza. Miverina indray koa ny resaka ankehitriny fa olon'ny Leader Fanilo ity natolotry ny firehana Zafy ho praiminisitra ity. Efa kandida praiminisitra natolotry ny Leader Fanilo tamin’ny 2010 rahateo izy. Raha izay izany, iray firohotana amin’i Andry Rajoelina ihany, ka ny sori-dalana dia efa manilika azy tsy ho mpifaninana, ary dia miverina any amin’ny kisary tamin’ny 2009 ny raharaha. Ny Ankolafy Ravalomanana sy Rajoelina ihany no mifanandrina eto. Misy ihany koa anefa ny loharanom-baovao milaza fa tsy dia ny profesora Zafy loatra no tena nanolotra ity anarana ity fa noho ny fanoloran-kevitra avy amin'ny masoivoho vahiny eto Madagasikara. Rahampitso dia mety ho hita ny valin'izay raha ny resaka nambara teny amin’ny Le Paon d’Or.
Na izany aza dia mety hanova zavatra ny fihaonan’i Marius Fransman, minisitra afrikanina tatsimo nalefan’ny Troika handamina ity krizy eto Madagasikara ity, sy ny Amiraly Ratsiraka any Parisy any. Araka ny loharanom-baovao akaiky ny Amiraly dia efa nanaiky ny fangatahan’i Marius Fransman ny hihaona aminy rahateo i Deba. Tsy azo tsinontsinoavina koa anefa ny resa-piaviana izay voasoratra ao amin’ny tondrozotra. Hatreto mantsy tsy milaza na nanambara mazava ny faritany fiaviany i Andry Rajoelina. Mety nandiso ny safidin’ireo vondrona politika teo am-pandrafetana ny lisitry ny kandidany anefa ny tsy fahazavan’io resaka io, nefa anisan’ny fepetra tsy maintsy hajaina araka ny voasoratra ao anaty tondrozotra, ary neken’ny mpanao politika tamin’ny alalan’ny sonia fa hampiharina. Misy loharanom-baovao milaza mantsy fa avy any Sahamadio, Distrikan’i Fandriana Faritra Amoron’i Mania no fiavian-dRajoelina.
Mohamed
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.