Politique

Kandida praiminisitra Nampanjaka ny miralenta ny Ankolafy Ravalomanana


  • Alakamisy 20 Oktobra 2011

Fantatra izany izao fa dia Rtoa Naika Eliane, Manandafy Rakotonirina ary Botozaza Pierrot no kandinda naroson’ny Ankolafy Ravalomanana ho praiminisitry ny tetezamita iraisana.

 Raha io firafitra io dia nampanjakaina ny miralenta. Mihoatra ny 30% ny fandraisan’anjaran’ny vehivavy. Loholon’i Madagasikara Rtoa Naika Eliane, anisan’ireo 11 mianadahy notendren’ny filoha Ravalomanana, amin’ireo iray ampahatelon’ny mpikambana tao amin’ny Antenimierandoholona farany teo. Anisan’ireo parlemantera nitondra faisana tao anatin’izao fitondrana FAT izao ny tenany. Ny sabotsy 12 septambra 2009 no nisamboran’ny FIS azy, toy ny nisambotra jiolahy, tao amin’ny hotely Nalugaro 67ha Atsimo. Niharan’ny herisetra izy tamin’izany ary very fananana nialoha ny nametrahana azy tany Manjakandriana. Izy no vehivavy faharoa, taorian’i Ihanta Randriamandrato, mpomba ny filoha Marc Ravalomanana niharan’ny antsojain’ny FAT. Taorian’ny nahazoany LP dia niala teto an-tanindrazana ny tenany ary any Eoropa any ankehitriny.

Tsy nitsahatra nandray anjara tamin’ireo fihaonana iraisam-pirenena, indrindra tamin’ireo fivoriana parlemantera i Naika Eliane. Nijoro vavolombelona amin’ny herisetra ataon’ny milisin’ny FAT ary koa nitaky, niaraka tamin’ireo Malagasy mpila ravinahitra any ivelany any, ny hamerenana ny ara-dalàna eto Madagasikara ny tenany. Mpikambana ao amin’ny antoko Tiako I Madagasikara i Naika Eliane, toa an’i Botozaza Pierrot. Ity farany izay mpikambana tao amin’ny birao politikan’ny antoko mihitsy, taorian’ny kongresin’ny antoko natao ny taona 2007. Minisitry ny fitaterana tao anatin’ny governemanta Charles Rabemananjara kosa i Botozaza Pierrot ary tale jeneralin’ny Port Toamasina izy nialoha izay. Zanak’i Sainte-Marie izy, ary teknisianina. Nilentika tsy niseho sehatra politika ny tenany taorian’ireny raharaha 2009 ireny. Lasibatry ny fandrobana koa ny tranony tao Toamasina. I Manandafy Rakotonirina moa dia diso fantatra loatra eo amin’ny tontolo politika Malagasy, hatramin’ny taona 1972 no ho mankaty.

Filoha nasionalin’ny antoko MFM izy, ary mpikambana ao amin’ny International Liberal. Anisan’ireo nitondra faisana tamin’ny fitondran’i Andry Rajoelina ny tenany, taorian’ny nanendren’ny Filoha Ravalomanana azy ho Praiminisitra ny 16 aprily 2009. Nosamborin’ny FIS tamin’ny fihetsika feno habibiana izy ny harivan’ny 29 aprily 2009, raha nitarika fivoriana tao amin’ny Carlton Anosy. Notazomina tamin’ny toerana arahi-maso tao Manjakandriana nandritra ny efa-bolana izy vao notsaraina. Roa taona an-tranomaizina, sazy mihantona no navoakan’ny fitsarana ny 22 septambra 2009. Tsy nampihemotra an’i “Koto” anefa izany fa vao mainka aza nampirehitra ny hafanampony teo amin’ny tolona hamerenana ny ara-dalàna eto Madagasikara. Tao anatin’ny delegasion’ny Ankolafy Ravalomanana izy raha vao raikitra ny dinika tany Maputo, ny aogositra 2009. Mandraka ankehitriny dia mbola anisan’ireo mpiara-mitantana ny Ankolafy Ravalomanana ny tenany, ary izao kandida praminisitra izao.

Jean D.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Praiminisitra Mamitiana Rajaonarison
  • Alakamisy 07 Mey 2026

« Tsy tia an’i Madagasikara

  • Namaly an’i Roland Ratsiraka
  • Alakamisy 07 Mey 2026

ireo fiarahamonim-pirenena

  • Pr Joseph
  • Alarobia 06 Mey 2026

« Ara-dalàna sy valin'ny nataony

  • Fanenjehana an-dRajoelina
  • Alarobia 06 Mey 2026

Hosantarina amin’ny

  • Mbola mafana ny dosie Raholdina
  • Alarobia 06 Mey 2026

Mifanipaka ny resaky ny PAN

  • Antenimierampirenena
  • Alarobia 06 Mey 2026

Raharaha maro hodinihina anatin’ny 60 andro…

Hijery ny tohiny
FTT