Kandida Paraina Auguste

Navotsotra omaly alina ihany


  • Alarobia 15 Novambra 2023

Nosamborina omaly tolakandro teny Ivato ny kandida Filoham-pirenena Paraina Auguste.

Voalaza fa nahazo fampanantsoan’ny mpitandro ny filaminana, saingy tsy tonga tamin’ny fotoana nomena, ka nosamborina sy notazonina tao amin’ny Borigady misahana ny heloka bevava na BC Anosy, rantsana misahana ny heloka an’habaka na « cybecriminalité ». Ny filazana fa nahazo fampanantsoana any Londres amin’ny 30 novambra ny kandida iray noho ny raharaha kolikoly goavana nahasaringotra an’i Romy Voos Andrianarisoa no voalaza fa hanenjehana azy. Fanosoram-potaka, fanelezana vaovao tsy marina, famporisihina fankahalana ny vesatra. Tonga nanotrona sy nijery ny zava-misy momba azy ny Firaisankinan’ny kandida omaly alina. « Porofo mitohaka amin’ny tenda fa tsy misy ny fitoniana, endrikendrehana amin’ny zavatra tsy misy dikany, olon-dehibe no atao tahaka izao, ka antony mahatonga anay mijoro tahaka izao », hoy ny kandida Roland Ratsiraka, izay nilaza fa tsy maintsy mbola hotsarain’ny tantara. « Hanjaka ohatr’izao foana ny didy jadona raha tsy mandinika tsara ny Malagasy, ny azy miteniteny foana tsy misy bedy,... Tsy raharahiana ny haja amam-boninahitr’ilay olona, hoy i Marc Ravalomanana, izay nilaza fa izao no atao hoe : fanamparam-pahefana sy « terroriste d’Etat ». Tsara ny mampahatsiahy, fa efa Filohan’ny Antenimieram-pirenena, diplaomaty izay efa masoivohon’i Madagasikara tany ivelany, efa minisitra,… Atoa Paraina Auguste. Hisy ihany koa ny fanambarana hataon’ny Fikambanan’ny Sud-Est momba io raharaha io anio, raha ny vaovao azo. Andrasana ny tohiny, fa raha ny zava-nitranga dia kandida faharoa nosamborina izany ny tenany taorian-dRatsetison Jean-Jacques.

Tamin’ny 12 ora alina latsaka kely kosa no namoaka fanambarana naneho fialan-tsiny ny tenany izay naneho fa noheveriny ho voamarina tsara ny zavatra nolazainy tamin’ny 13 novambra mikasika ny fampanantsoana any Londres. Naneho fialan-tsiny tamin’ilay kandida izy, na tsy nanonona anarana aza, ary nilaza fa tsy tompon’andraikitra amin’ny fipariahan’iny intsony.
Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • 14 oktobra
  • Zoma 02 Oktobra 2026

Fetim-pirenena ho an'ny Fahafahana

  • TSIAHIN’NY
  • Zoma 02 Oktobra 2026

TOLONA- TANORA GEN Z

  • Politika ampiharina
  • Zoma 02 Oktobra 2026

eny anivon'ny Minisitera

  • Alain Mahavimbina
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

« Aza mifanilika, ilaina ny tanora,

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

"Tsy sehoseho ivelany

  • Ben’ny tanàna
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

lanim-bahoaka any Betafo

Hijery ny tohiny
FTT