Kandida Paraina Auguste

“Fifidianana marina no vahaolana fa tsy tetezamita”


  • Alakamisy 31 Aogositra 2023

Ny kandida ho filoham-pirenena, Paraina Auguste, no kandida fahatelo nanatitra ny antotan-taratasy firotsahan-kofidiany

tetsy amin’ny fitsarana avo momba ny lalàmpanorenana na HCC Ambohidahy omaly. Dosie feno 100%, hoy ny fanamarihany, no naterina teo. Efa ao ilay 200 tapitrisa Ariary. Raharaham-pirenena efa nomanina ela ity fa tsy atao sangisangy, hoy ity filohan’ny antoko politika Tsara tahafina ity. Resy lahatra izahay fa hisy ny fifidianana ary vonona ny hiatrika ny manaraka izahay izao. Angamba tsy hisy izany hoe tetezamita izany intsony fa araka ny tenin’ny filohan’ny FFKM dia hoe aoka ny fahamarinana no hanjaka! Be dia be ny zavatra tsy tomombana nefa tsy maintsy fifidianana ihany no ahafahantsika mivoaka amin’izao. Tsy manana fahavalo afa-tsy ny fahantrana izahay! Mpifaninana ny kandida fa tsy mpifahavalo ka manantena ireo kandida namana ireo mba ho avy hanatitra ny antotan-taratasiny avy koa. Nisinisy ihany ny fahasarotana tamin’ny fikarakarana antotan-taratasy, indrindra, ho an’ireo mpandraharaha. Ireo mpandraharaha no tena sahirana nikarakara dosie. Izahay moa tsy mpandraharaha fa mpiasam-panjakana retirety dia moramora ny nahazoana ilay taratasy any amin’ny FISC. Ho itanareo any amin’ny adihevitra hoe iza no tena mendrika hitondra ity firenena ity? Ho hita hoe iza no manana traikefa sy fari-pahaizana ambony fa tsy mpanao dika mitovy na “copie coller”. Ny zavatra avy teneninao ihany no haveriny, hoy hatrany i Paraina Auguste.
J. Mirija

 


 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Pastera Heritiana
  • Talata 06 Oktobra 2026

_Fampandrosoana an’i Madagasikara

  • FAMPIHAVANANA POLITIKA
  • Talata 06 Oktobra 2026

Tsy tokony atao fitaovana

  • Fikaonandoham-pirenena
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

Ny Mpitandrina Barinarivo

  • PM Mamitiana Rajaonarison
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

Vahaolana ara-tsosialy maro no

  • FANAVAOZANA NY REPOBLIKA
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

Politika mampandroso no

  • 14 oktobra
  • Zoma 02 Oktobra 2026

Fetim-pirenena ho an'ny Fahafahana

Hijery ny tohiny
FTT