Kandida ny Kolonely Emilien Ramboasalama

«Mahantra dia mahantra ny vahoaka»


  • Alarobia 27 Martsa 2024

Taorian’ny fanontanianay ny hevitry ny ety ifotony ety amin’ny boriboritany faha 4,

hoy ny Kolonely Emilien Ramboasalama, dia mangataka ny firotsahako ho kandida solombavambahoaka izay atao ny 29 may izao ireo mponina. Rehefa noeritreretina sy nosainina lalina izany dia namaly ny antso aho ary hirotsaka ho kandida amin’ny anaran’ny tenako manokana na «indépendant». Akaikin’ny vahoaka aho ary avy amin’ny vahoaka. Avy amin’ny faritra iva avokoa ny 75%n’ny mponina ety. Manjaka ety ny tsy fandriampahalemana. Dibo-drano ny ety noho ny fanotorana tany tsy ara-dalàna. Mahantra dia mahantra ny vahoaka ka izay rehetra izay no ezahana arenina. Efa nisy ny ezaka natao. Tsy vita iray andro ny asa fampandrosoana. 32 no isan’ny fokontany eto amin’ny boriboritany faha 4. Nanaovana asa fanampiana sy fampandrosoana daholo ireo. Asa fampandrosoana niadiana tamin’ny tsy fandriampahalemana, tsy fananan’asa, fahasahiranana maro. Ezahana ny hanatsarana hatrany ny fiainam-bahoaka ety amin’ny boriboritany faha 4, hoy hatrany ny tenany.

J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Pr Joseph
  • Alarobia 06 Mey 2026

« Ara-dalàna sy valin'ny nataony

  • Fanenjehana an-dRajoelina
  • Alarobia 06 Mey 2026

Hosantarina amin’ny

  • Mbola mafana ny dosie Raholdina
  • Alarobia 06 Mey 2026

Mifanipaka ny resaky ny PAN

  • Fikaonandoham-pirenena
  • Talata 05 Mey 2026

Hanomboka anio ny

  • PAN-Raharaha Naivo Raholdina
  • Talata 05 Mey 2026

«Mbola tsy azo esorina ny

  • Fanenjehana
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

an-dRajoelina, Ntsay Christian,…

Hijery ny tohiny
FTT