Kandida Nirina sy Noely ao amin’ny boriboritany faha 3

«Laharam-pahamehana ny fanatsarana ny fiahiana ara-tsosialy»


  • Talata 14 Mey 2024

An’arivony mahery ireo olona efa nisitraka solonify maimaimpoana tamin’ilay tetikasa «Ny tsiky»

natolotry ny kandida ho solombavambahoaka Nirina Rakotoarijaona sy Noely Randriatsitohaina, laharana voalohany na «Numero 1» ao anaty bileta tokana, raha ny fampitam-baovao voaray omaly. Laharam-pahamehana ho an’ireo kandidan’ny Kolekitifa an’ny malagasy avy amin’ny Anjomara sy rivo-baovao ireo ny fanatsarana ny fiahiana ara-tsosialy, hoy ny fanazavana. Volavolan-dalàna maro mifandray amin’izay ihany koa no ho entina eny amin’ny Antenimieram-pirenena. Ny vahoaka anefa no masin-mandidy. Ho solombavambahoaka hitondra ny tenin’ny vahoaka eny amin’ny Antenimieram-pirenena ny laharana voalohany, kandidan’ny Kolektifa ao anatin’ny bileta tokana, ao amin’ny boriboritany faha 3, Nirina Rakotoarijaona sy Noely Randriatsitohaina. Efa ela no nangetaheta fanovana ny mponina. Mijoro ary manohy ny tolona ho an’ny fanovana ny kandida Nirina Rakotoarijaona sy Noely Randriatsitohaina. Nitaraina tamin'izy ireo ny mponina nandritra ireo fidinana ifotony maro efa natao fa olana lehibe indrindra ny fiahiana ara-tsosialy. Saro-takarina, ohatra, ny fisitrahana fitsaboana ara-dalàna. Noho ny tetikasa «Ny tsiky» ao anatin'ny vina «Ala sahirana» an'ny kandida Nirina Rakotoarijaona sy Noely Randriatsitohaina izao, ohatra, dia anarivony mahery ireo efa nisitraka solonify maimaimpoana tao amin’ny boriboritany fahatelo. Volavolan-dalàna maro hamahana ny olana ara-tsosialy no efa nomanina hatry ny ela ho entina eny amin’ny Antenimieram-pirenena. isan'izany ny hiahiana manokana ireo zokiolona. Hitondra ny feon’ny vahoaka eny amin’ny Antenimieram-pirenena ka fidio ho solombavambahoaka ny kandida Nirina Rakotoarijaona sy Noely Randriantsitohaina, laharana voalohany ao anaty bileta tokana, ao amin’ny boriboritany fahatelo. Ny safidinao no hamaritra ny hoavinao. Fotoana izao hitondrana fanovana eto amin'ny boriboritany fahatelo, hoy hatrany ny fanentanana sy fampitam-baovao.
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • 14 oktobra
  • Zoma 02 Oktobra 2026

Fetim-pirenena ho an'ny Fahafahana

  • TSIAHIN’NY
  • Zoma 02 Oktobra 2026

TOLONA- TANORA GEN Z

  • Politika ampiharina
  • Zoma 02 Oktobra 2026

eny anivon'ny Minisitera

  • Alain Mahavimbina
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

« Aza mifanilika, ilaina ny tanora,

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

"Tsy sehoseho ivelany

  • Ben’ny tanàna
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

lanim-bahoaka any Betafo

Hijery ny tohiny
FTT