Mijoro aho ankehitriny, hoy ny kandida ho filoham-pirenena malagasy, Julia Mickaëlla Rasolofonoroniaina na Mishah, amin’ny maha reny ahy,
raha nanao fanambarana tamin’ny fomba ofisialy tetsy Ivato omaly fa isan’ireo handray anjara amin’ny hazakazaka hahazoana ny fanalahidy eny Iavoloha. Mahatsapa aho, hoy izy, fa manana adidy eto amin’ny firenena. Vina voalohany, satria iaraha-mahita fa isan’ny mampandringa ny fampandehanana ny raharaham-pirenena ankehitriny ny satan’ny repoblika faha 4, dia ny fidirana amin’ny repoblika faha 5, noho izany, no vahaolana! Laharam-pahamehana ny fanovana lalàm-panorenana satria io no miantoka ny fiandrianam-pirenena. Ny fitsapan-kevi-bahoaka noho izany no atao voalohany rehefa tonga eo amin’ny fitondrana ny tena mba hizorana any amin’ny repoblika faha 5. Isan’ny olana anatin’io sata mifehy ny repoblika faha 4 io ny momba ny CENI sy HCC. Antony hanamafisanay ny filàna amin’ny fidirana amin’ny repoblika faha 5 io satria tena isan’ny lesoka lehibe ankehitriny ny lalàm-panorenana. Tsy fanaparitahana vato araka ny voizin’ny sasany ankehitriny sanatria fa fitiavan-tanindrazana eto no resaka. Fitiavana ny vahoaka malagasy ny ahy fa fitiavan-tena izany hoe hanaparitaka vato izany. Tsy kilalao ny firotsahan-kofidiana filoham-pirenena fa zavatra goavana satria firenena no resaka. Kajikajy politika izany fanaparitahana vato izany ka raha mbola izany no hiainantsika dia tsy fitiavan-tanindrazana izany amiko. Fitiavan-tanindrazana miboiboika ato anatiko no nanosika ahy, hoy hatrany ny tenany.
J. Mirija
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.