Politique

Kandida Mishah Niala an-daharana fa tsy nahafeno dosie


  • Zoma 08 Septambra 2023

Noho ny antony tsy fahatomombanan’ny antotan-taratasim-pilantsahan-kofidiana ho filoham-pirenena no antony

nanapahan’ny tenako sy ny antoko izay nanohana ahy hisintona ny firotsahan-kofidiako, hoy ny kandida ho filoham-pirenena niala an-daharana, Julia Mickaëlle Rasolofonoroniaina na Mishah, tetsy amin’ny HCC Ambohidahy omaly. Niaraha-nahita, hoy izy, ny zava-nisy omaly (TTF: ny alarobia teo) fa nametraka ny antotan-taratasy feno filatsahan-kofidiany ny filoham-pirenena ankehitriny, Andry Rajoelina. Hita taratra tanaty kabariny ihany koa fa feno fitiavan-tanindrazana ny zavatra noteneniny. Feno fanetre-tena satria nisy ny fialan-tsiny nataony ho an’ireo adino. Hijery anareo manokana aho, hoy izy. Hijery ireo mpandraharaha, ireo vehivavy, ny rehetra. Tsy mila ady intsony isika satria efa farofy i Madagasikara. Firaisankina sy fifankatiavana no ilaina. Nijery ny vinan’ny filoha ankehitriny izahay. Efa nanomboka izy dia aleo tohizany. Inoana fa efa hitany ny lesoka ka tsy ahazo azy intsony. Aleonay aty am-piandohana no miteny izay ho tohananay mba tsy hisian’ny fifamitahana eo aminay sy ny vahoaka malagasy. Aoka tsy hifantoka loatra amin’ny resa-bola isika satria tsy izay loatra no zava-dehibe fa fitiavana firenena. Aleo very tsikalakalam-bola toy izay very tsikalakalam-pihavanana, hoy hatrany ity kandida niala an-daharana ity!
J. Mirija

 

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Pastera Heritiana
  • Talata 06 Oktobra 2026

_Fampandrosoana an’i Madagasikara

  • FAMPIHAVANANA POLITIKA
  • Talata 06 Oktobra 2026

Tsy tokony atao fitaovana

  • Fikaonandoham-pirenena
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

Ny Mpitandrina Barinarivo

  • PM Mamitiana Rajaonarison
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

Vahaolana ara-tsosialy maro no

  • FANAVAOZANA NY REPOBLIKA
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

Politika mampandroso no

  • 14 oktobra
  • Zoma 02 Oktobra 2026

Fetim-pirenena ho an'ny Fahafahana

Hijery ny tohiny
FTT