Kandida miisa folo

“Tompon’andraikitra amin’izay hiseho eo ny HCC raha miziriziry”


  • Alakamisy 14 Septambra 2023

Tsy mandà ny fifidianana izahay, fa mandà ny mpikarakara fifidianana dia ny HCC sy ny governemanta, hoy ireo kandida miisa 10 ahitana an’I Marc Ravalomanana,

Hery Rajaonarimampianina, Tahina Razafinjoelina, Hajo Andrianainarivelo, Siteny Randrianasoloniaiko, Brunelle Razafintsiandraofa, Andry Raobelina, Paraina Auguste, Roland Ratsiraka, ary Jean Jacques Ratsietison, tamin’ny alalan’Atoa Hajo Andrianainarivelo omaly. Tsy ara-dalàna ny fitantanan’ny governemanta, ary hatreto tsy misy taratasy mazava milaza ny tsy naneken’ny Filohan’ny antenimierandoholona ny fandraisana ny firenena, ary mazava ny lalàna, fa rehefa tsy eo ny Filoham-pirenena dia io Lehiben’Andrim-panjakana io no mitantana vonjimaika. Mazava ny lalàmpanorenana, fa izy no faharoa amin’ny fitantanana ny andrim-panjakana, ka eto amintsika ihany no misy hoe: ny laharana faharoa baikoan’ny laharana faha-4, ka ny dikan’izay dia efa tsy ara-dalàna, hoy ny fanazavana. Hadio sy mangarahara ve izany ny fifidianana raha toa ka Fanjakana tsy nandray ny andraikiny, ary mitanila, izay ny governemanta, hoy izy ireo izay miampanga ny HCC ho mitsikombakomba amin’ny governemanta tamin’ny resaka fanonganam-panjakan’ny andrim-panjakana na “coup d’Etat institutionnel” Ankoatra ny fifidianana, mipetraka ihany koa ny ahiahy amin’ny fiainam-pirenena satria tsy mazava ny antony hisisihana ny hametrahana azy eo. Misy fifanarahana manokana mikasika ny fiainam-pirenena ankampobeny, ny harem-pirenena ve? Ny fifidianana tiana hofehezina fa ny fiainam-pirenena tiana hofehezina ? “Tsy maintsy harovana ny fiainam-pirenena satria miomana hitondra firenena ihany koa izay ka tsy tokony ho Firenena avy natao tantely afa-drakotra no hovantaninay eto. Fanairana sy fametrahana mazava ny fandraisan’ny HCC andraikitra mikasika ny zavatra tsy mety nataony no ataonay. Mbola misy fotoana, mbola tsy tara, ka tompon’andraikitra amin’izay zavatra mety hiseho eo HCC raha ohatra ka miziriziry amin’izao tsy fanarahan-dalàna napetrany izao”, hoy izy ireo. Manoloana ny fandravana ny HCC ve izany no takian’ireo kandida, dia nilaza I Hajo Andrianainarivelo, fa ny HCC no tokony hahalala ny hataony, fa ohatran’ny andrim-panjakana rehetra dia ny vahoaka no manapaka azy amin’ny farany, fa anjarany aloha androany no mandinin-tena, anjaran’ny Filoha teo ihany koa no mandinin-tena, fa rehefa tsy afaka ny handinin-tena isika rehetra dia tsy maintsy miverina any amin’ny vahoaka ihany ny fahefana, hoy io kandida io nisolo tena azy 10 mirahalahy mianaka.
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Pastera Heritiana
  • Talata 06 Oktobra 2026

_Fampandrosoana an’i Madagasikara

  • FAMPIHAVANANA POLITIKA
  • Talata 06 Oktobra 2026

Tsy tokony atao fitaovana

  • Fikaonandoham-pirenena
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

Ny Mpitandrina Barinarivo

  • PM Mamitiana Rajaonarison
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

Vahaolana ara-tsosialy maro no

  • FANAVAOZANA NY REPOBLIKA
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

Politika mampandroso no

  • 14 oktobra
  • Zoma 02 Oktobra 2026

Fetim-pirenena ho an'ny Fahafahana

Hijery ny tohiny
FTT