Kandida miisa 11

“Tsy ekenay ny fifidianana amin’ny 16 novambra”


  • Alatsinainy 23 Oktobra 2023

Rehefa avy nihaona sy niresaka tamin’ireo vondrona maro isan-karazany toy ny raiamandreny am-panahy,

ny vondrona iraisampirenena, ny sendika, ny raiamandreny ara- drazana sy ny fikambanana samihafa dia miombon-kevitra amin'izy ireo izahay 11 mirahalahy fa ilaina ny fifanatonana an- databatra boribory mba hisian' ny fifidianana mangarahara sy eken'ny rehetra, hoy ny fanambaran’ireo kandida ho filoham-pirenena miisa 11 ao anatin’ny Firaisankinan’ny kandida na “Collectif des candidats” nanoloana ireo vahoaka marobe nanotrona azy ireo tetsy amin’ny Coliseum Antsonjombe ny sabotsy teo. Etsy ankilany, hoy izy ireo, misy ny kandida namanay voatery nalefa any ivelany noho ny ratra nahazo azy. Ho fampiharana ny andininy faha 47 amin’ny lalàmpanorenana dia tsy ekenay ny hanatanterahana ny fifidianana amin'ny 16 novambra 2023 izao. Miantso ny vahoaka rehetra na sivily na miaramila na olom-boatendry na olom-boafidy mba hanatevina ity tolona ity ho tombontsoa iombonana sy ho an'ny vahoaka malagasy, hoy hatrany ny fanambaran’ireto kandida ireto.
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • 14 oktobra
  • Zoma 02 Oktobra 2026

Fetim-pirenena ho an'ny Fahafahana

  • TSIAHIN’NY
  • Zoma 02 Oktobra 2026

TOLONA- TANORA GEN Z

  • Politika ampiharina
  • Zoma 02 Oktobra 2026

eny anivon'ny Minisitera

  • Alain Mahavimbina
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

« Aza mifanilika, ilaina ny tanora,

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

"Tsy sehoseho ivelany

  • Ben’ny tanàna
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

lanim-bahoaka any Betafo

Hijery ny tohiny
FTT