Totoafo ny fidinana ifotony ataon’ny kandidà depiote laharana faha 25 ao Antsirabe I dia Atoa Michel Ambalavato izany amin’izao ankatoky ny famaranana ny fampielezan-kevitra izao.
Hafa mihitsy ny fomba fiasa amin’izany satria dia hatreny an-tanimbary sy eny an-tsaha rehetra eny no itafany mivantana amin’ny vahoaka ahafantarana ny zava-misy marina. Voaporofo indray fa tena mahatsiaro ny zava-bitan’ny filoha Ravalomanana tao Antsirabe ny olona ka dia faly sy mandray ny kandidà atolotr’i Dada mandritra ny fitsidihana ataony. Hamafisin’Atoa Michel Ambalavato hatrany fa hiasa ho an’ny vahoaka ary ho an’ny vahoaka hatrany ny tenany rehefa lany soa aman-tsara, hanohy ireo asa soa efa fanaony ary koa ireo tetikasa maro efa natonbok’i Dada Ravalomanana izay nanolotra azy. Manentana ny olona ho tonga maro hifidy ka ny kandidà laharana faha 33 izay tohanan’i Dada no ho filoham-pirenena ary ny laharana faha 25 no solombavambahoaka. Mandritra ny faradoboka dia fantatra fa hampiasa helikopitera indray ity kandidà ity no sady hanao diabe manerana an’Antsirabe miaraka amin’ireo mpomba azy.
Caïus Raharison
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.