Miely ary mahoraka ao an-drenivohitr’i Vakinankaratra amin'izao fotoana fa hosamborina ny kandidà depioten’ny ankolafy Ravalomanana tao Antsirabe I, Atoa Michel Ambalavato raha nijoro ho vavolombelona nohon'ny fisian'ny hala-bato goavana tao amin'ny SRMV ny tenany, ary nampahafantatra izany tamin'ny mpanao gazety tao Antsirabe sy teto an-drenivohitra.
Efa nanambara moa ity kandidà ity fa tsy hanaiky ary tsy hipetra-potsiny manolonana ny familiviliana ny safidim-bahoaka ka mitady ny fomba rehetra hivoahan'ny marina ny tenany. Ny marainan'ny zoma 27 desambra 2013 dia nitatitra tamin'ireo vahoaka mpomba azy ity kandidà ity fa voapetraka soa aman-tsara tany amin'ny CES na Fitsarana manokana momba ny fifidianana ny fitoriana izay nataony. Nanoloana izany dia re fa mety ho tratry ny sarika am-pandriana hosamborina ity kandidà ity. Ny tsikaritra dia nivoaka sy nivezivezy eran'Antsirabe indray ireo fiara 4x4 fampiasan'ny Emmo-Reg io zoma io ka asa na fitandroana ny filaminana fotsiny ihany na matahotra ny mety hisian'ny fidianana an-dalambe toy ny tany Morondava. Hatreto eloha dia mbola miasa ny didin'ny be sandry sy ny be vola mba hamiliviliana hatrany ny safidim-bahoaka. Ny marina anefa tsy mba maty, ary ny hery tsy mahaleo ny fanahy !
Caïus Raharison
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.