Haingana dia haingana ny fielezan’ny vaovao momba ny voka-pifidianana tao Antsirabe I, indrindra fa ny mikasika ny fifidianana ho solobavambahoaka.
Amin’izao fotoana dia efa voazara saika isam-baravarana ny dika mitovy tamin’ilay vokatra vojimaika navoakan’ny CENI-T ny datin’ny alakamisy 02 janoary 2014 tamin’ny 10 ora sy 44 minitra sy 02 segondra, tao amin’ny tranokalan’ny CENI-T, izay manambara mazava fa ny kandidàn’ny movansy Ravalomanana, Michel Ambalavato no mandresy tamin’ny isam-bato 27,15 % raha toa ka 25,93 % ny an’ny kandidan’ny Malagasy Miara Miainga, Razanakolona Paul. Niteraka resabe mantsy ilay vokatra navoakan’ny Vaomiera mpanisa vato na SRMV ao Antsirabe izay nampifamadika ny vokatra azon’ireo kandidà roa tena nifampitady ireo. Nanambara ny kandidà Michel Ambalavato raha nanontaniana ny heviny fa ho fampahafantarana ny besinimaro ny vokatra tena marina no anton’ny nanapariahana ireny dika mitovy ny vokatra navoakan’ny CENI-T ireny. Ankoatra izay dia nambarany fa hiady hatramin’ny farany amin’ny fiarovana ny voka-pifidianana izy ireo ka efa nomanina mialoha ho amin’ny izany ny mpanohana azy. Nitondrany fanazavana moa fa tsy hihevitra ny hikorontana akory izy ireo fa kosa hitaky ny marina hatramin’ny farany raha toa ka misy ny fiovan-javatra. Mametraka hatrany ny fitokisana tamin’ny CENI-T sy ny CES moa ity kandidà ho solombavambahoaka ao Antsirabe voalohany ity.
Caïus Raharison
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.