Kandida miara-dia

> Tsy voatery hahomby ny kajikajy


  • Alakamisy 14 Novambra 2013

Mandeha be ny kajikajy politika amin’izao fotoana, indrindra fa ho an’ireo kandida hiatrika ny fihodinana faharoa. Samy manao kajy na ny an-daniny na ny an-kilany. Ny ankolafy Rajoelina moa, dia efa nidehaka fa hoe ry zareo, hono, no mandresy satria raha atambatra ny salanisan’ireo kandidan’ny FAT dia efa mahatratra 55%.

Mailo sady malina kosa ny ankolafy Ravalomanana, izay manohana ny Dr Robinson Jean Louis ka tsy mbola nirehareha fa hoe mandresy, fa kosa efa atonin’ireo kandida sy vondrona politika ary fikambanana samihafa mba hifampiresahana. Rehefa tena dinihana lalina anefa ny zava-misy eto Madagasikara dia tsy mitombina ny fanaovana kajy politika amin’ny fampitambarana ny vato azon’ny kandida miara-dia, izany hoe raha nahazo 15% ny kandida iray ka misy kandida telo hafa samy nahazo 5% tamin’ny fihodinana voalohany milaza fa hanohana azy, dia tsy midika mihitsy izany hoe hahazo 30% io kandida io any amin’ny fihodinana faharoa. Tena mbola goragora be mantsy ny fitsipika anatiny mifehy ny antoko politika eto amintsika, ka tsy voatery hanaraka izay toromarik’ilay filohan’antoko ny mpikambana. Ny mpanao politika malagasy rahateo efa manana traikefa amin’ny famadihana palitao sy ny fivadibadihan-dela, ka sady tsy azo itokisana intsony no sady tsy mahatarik’olona araka ny fampanantenana ataony.

Porofo mivaingana azo hamintinana izany ny nitranga tamin’ny antokon’i Andry Rajoelina. I Edgard Razafindravahy no kandida voafidin’ny kongresin’ny TGV, ny kongresy izay rafitra ambony indrindra amin’ny fanapahan-kevitra ho an’ny antoko politika. Aty aoriana anefa dia i Hery Rajaonarimampianina no kandida tohanan’i Andry Rajoelina izay filoha mpanorina ny antoko TGV, ary ny ankamaroan’ireo mpanao politika TGV dia efa nanohana hatry ny ela ny kandidan’ny Hery Vaovao. Heverina noho izany fa ny fampielezan-kevitra ihany no hanova na hampitombo na hampihena ny vato mety ho azon’ny kandida tsirairay avy any amin’ny fihodinana faharoa fa tsy ny fahamaroana na fahavitsian’ny mpanao politika manohana azy, na ny kandida hafa miara-dia aminy. Azo antoka kosa anefa fa tsy maintsy misy fiantraikany ara-psikôlôjika amin’ny sain’ny mpifidy ny fifanatonana mety hitranga, ka io no tsy maintsy hanaovana ilay «alliance».

 

RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • PRRM
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

Randrianirina Michael

  • Randy Donny
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

"Novetavetain'ny fanjanahana

  • ANTOKO POLITIKA RPMU
  • Zoma 16 Oktobra 2026

« Tokony hiaraka amin’ny

  • Mirangorango ?
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Manomboka mitombo ireo

  • Malagasy Miara-Miainga
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

"Mbola maro ireo fanamby

Hijery ny tohiny
FTT