Politique

Kandida maka tsodrano nentim-paharazana “Mivadika ozona raha mikasa hanao ratsy”


  • Zoma 04 Aogositra 2023

Ny fiangonana maro isan-karazany koa dia akan’ireo kandida tso-drano rehefa akaiky fifidianana toy izao, hoy ny mpandala ny nentim-paharazana, Josephin Andriandrainarivo.

Dia misy koa, hoy izy, mankaty amin’ny nentim-paharazana. Mitovy tantana izany, araka ny fiheveran’ny fiarahamonina azy, samy ilay nahary, ilay tompon’ny hery lehibe sy hasina lehibe naha tany ny tany, naha zavaboary ny zavaboary, tompon’ny fanatanterahana ny fikasan’olombelona. Izay no anton’ny hoe misy ny mankany am-piangonana. Misy ny manatona aty amin’ny ara-drazana. Ho an’ny nentim-paharazana dia tsy manavakavaka ny mpisolotena an’Andriamanitra Andriananahary nataon’ireo razana teo aloha anay taranaka taty aoriana. Rehefa manome tso-drano ny zaza mbola kely aza dia hoe enga anie mba ho lasa olona ambony, manam-pahaizana, handeha ho any an-dafy. Tso-drano izany. Rehefa misy taranaka malagasy te ho lasa filoha izany, tsy miresaka toe-tsaina eto na firehana politika, dia atao ahoana moa no tsy hanome tso-drano azy raha te ho lasa mpitondra ambony eto amin’ny firenena izy? Azy sy ny mpahary sy ny razana indray no mifampitady avy eo rehefa toa ka hanao ratsy na hametsifetsy na hivadika amin’ny tanindrazana no ao an-tsaina ao. Tsaratsara ho an’ireny olona ireny no tsy mankaty amin’ny mpandala ny nentim-paharazana fa lasa ozona ny tso-drano omena azy amin’izay fotoana izay, hoy hatrany ny fanazavana.
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Catherine
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

VAUTRIN

  • POLITIKA
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Mandeha ny kajikajy

  • ZAZA RAMANDIMBIARISON
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Tsy tokony ho tara ny

  • Pastera Heritiana
  • Talata 06 Oktobra 2026

_Fampandrosoana an’i Madagasikara

  • FAMPIHAVANANA POLITIKA
  • Talata 06 Oktobra 2026

Tsy tokony atao fitaovana

  • Fikaonandoham-pirenena
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

Ny Mpitandrina Barinarivo

Hijery ny tohiny
FTT