Politique

Kandida Loholona Mampiaka-peo ireo any Toliara


  • Alatsinainy 23 Novambra 2015

Mba hisian’ny fifidianana madio sy mangarahara lavitry ny hala-bato, takian’ireo mpilatsaka ny vatam-pandatsaham-bato iray isaky ny Distrika fa tsy kaominina

Mampiaka-peo sahady hisorohana ny mety hisian’ny hala-bato lavitry ny fifidianana mangarahara ireo kandidà hirotsaka hofidina ho Senatera any amin’ny faritanin’i Toliara. Ny sabotsy hariva teo, dia nanao valandresaka tamin’ny mapanao gazety, tao amin’ny Hotel “Croix du Sud” ao Tsinengea Toliara, ireo vondron’ny mpilatsaka ho Loholona, izay notarihin’ny Atoa Manoela (avy amin’ny antoko TIM), sy Atoa Luc Vital (Fikambanana Ombilahy), ary nilaza fa matahotra ny tsy hahazo toerana ny avy ao amin’ny fitondrana ka manovaova isan’andro vaky izao ny lalàna mifehy ny fifidianana. Takian’ireo mpilatsaka hofidina loholona ireto, ankoatra ny HVM, ihany koa ny tsy fanekeny ny hisian’ny vata fandatsaham-bato iray isaky ny Kaominina.

Namaivay ny fanakianana

Nahitsy fiteny mihitsy Atoa Luc Vital, fa “fanomezam-bahana ny antokon’ny fitondrana HVM izao ataon’ny CENI izao, ary faneriterena sy fampitahorana sahady an’ireo Ben’ny tanàna sy ireo mpanolotsaina kaominaly hifidy malalaka sy mangarahara“. “Hitarika korontana sy ady saritaka io fandikan-dalàna sy jadona io, ka takianay amin’ny fanjakana sy ny fikambanana iraisam-pirenena ny hisian’ny vatam-pandatsaham-bato iray isaky ny Distrika mandritra ny fifidianana loholona izao“, hoy kosa Atoa Manoela (TIM) hentitra.

Eric R.


 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Noho ny fiaraha-miasa
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

amin’ny Rosianina

  • Elia Rabevahiny
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Andao re irosoana

  • Diplaomasia
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

sy toekarena

  • TIM
  • Talata 27 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

  • Antoko politika Maeva
  • Talata 27 Oktobra 2026

«Sao tokony hamboarina

  • Tanora Monima
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

«Miha matanjaka ny BRICS,

Hijery ny tohiny
FTT