KANDIDA JIMMY RANDRIANTSOA

Ny hetahetam-bahoaka no handrafetany ny programan’asany


  • Alarobia 13 Novambra 2024

Ny hetahetam-bahoaka mivoaka amin’ny alalan’ny fidinana ifotony tanterahiny amin’izao fotoana

no handrafetan’ny Kandida Ben’ny tanana Jimmy Randriantsoa ny fandaharan’asany mandritra ny 5 taona ho avy indray ho an’ny mponin’Alasora, ao anatin’ny distrikan’Avaradrano. Mitohy hatrany araka izany ny fitetezana ireo Fokontany miisa 20 mandrafitra ny kaominin’Alasora entin’ity Kandida natolotry ny antoko Tiako I Madagasikara ity mampahafantatra ny tenany sy ireo mpiray lisitra aminy. Tanjon’ny Kandida Jimmy ny hahafahana mahalala sy mahafantatra ireo zavatra mbola tokony hotohizana sy tanterahina hahafahana mampandroso an’Alasora iray manontolo. Dingana ihany mantsy ny azy ny ho Ben’ny tanana fa ny asa fampandrosoana ity tanana ity no tena tanjony ao anatin’ilay teny filamatra manao hoe : Alasora iombonana, mahate-honina. Efa fanaon’ity kandida iray ity moa ny mihaino ny vahoaka tahaka izao hatramin’izay fa tsy vao sambany akory. Notsiahiviny fa tanana manana ny tantarany sy ny hasiny Alasora ka mila olona mahay, mahalala ary mahafantatra ny fitantanana io kaominina io mba hiavahany amin’ny kaominina rehetra. Miisa 5 moa ireo kandida mpifanina ao anatin’ny kaominina Alasora amin’ny fifidianana Ben’ny tanana hotanterahina ny 11 Desambra ho avy izao ka ny Kandida Randriantsoa Jimmy no mitondra ny laharana fahadimy.
Pati
Legende : Randriantsoa Jimmy, Kandida natolotry ny TIM ho Ben’ny tanana ao Alasora Avaradrano !

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Alain Mahavimbina
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

« Aza mifanilika, ilaina ny tanora,

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

"Tsy sehoseho ivelany

  • Ben’ny tanàna
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

lanim-bahoaka any Betafo

  • Razafindrandriatsimaniry Marie
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Dieudonné Michel

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Ny Malagasy ihany no

  • Ben’ny tanàna Nosy Hell Ville
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

« Betsaka ny zava-bitako,»

Hijery ny tohiny
FTT