Tontosa tamin’ny faran’ny herinandro teo ny fangatahan-tsodrano nataon’ny kandida solombavambahoaka ao amin’ny Distrikan’Andilamena Atoa Jean Marie Vianey. Vory lanona teo amin’ny kianja malaka tao Andilamena avokoa ireo Tangalamena sy ireo mponina avy amin’ny Kaominina manodidina. Distrika izay tafiditra ao antin’ny faritra mena eo amin’ny tsy fandriampahalemana i Andilamena ka mila olona vonona hitondra ny hetahetany ny vahoaka. Ireo mpikambana Andrin’i Madagasikara avy amin’ny Kaominina valo mandrafitra ny Distrikan’Andilamena no nanolotra an’Atoa Jean Marie Vianey ho kandida solombavambahoaka any an-toerana. Ny fahatsapana fa tara eo amin’ny fampandrosoana Andilamena no nahatonga azy nirotsaka ho fidiana solombavambahoaka.
Niry A.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.