Antontan-taratasy roa lehibe mirakitra fitarainana maromaro hitondrana porofo noho ny fahitana fandikan-dalàna niniana natao tamin’iny fifidianana ny faha-20 desambra iny no natolotray nivantana ny CES androany (31 desambra), hoy ny kandidà Rasolojaona Tahina na Jaytaxx avy ao amin’ny Boriborintany faha-5 eto Antananarivo Renivohitra. Mifototra amin’ny lalàna velona misy isika, hoy izy, ka tsy maintsy miteny izahay rehefa misy ny tsy fanarahana an’izany. Nisy tsy fanarahan-dalàna maro niseho teto amin’ny Boriborintany faha-5 nirotsahanay, hoy ity kandidàn’ny “Raiso ny dimy” ity, toy ny nisy tany amin’ny fandrafetana ny lisi-pifidianana, nandritra ny fampielezan-kevitra ary indrindra tamin’ny andron’ny fifidianana ka angatahanay ny fanafoanana an’iny fifidianana feno hosoka iny.
Manohy
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.