Politique

Kandida ho Praiminisitra Sivily 15 ka vehivavy ny 2


  • Alakamisy 20 Oktobra 2011

Omaly alina no nivoaka ny lisitr’ireo kandida ho Praiminisitra lehiben’ny governemanta iraisana.

Telo isaky ny vondrona nanao sonia ny sori-dalana no noraisina teny amin’ny Le Paon d’Or, teo anatrehan’ireo masovoho vahiny sy ny filohan’ny tetezamita, Andry Nirina RajoelinaL lanonana izay notarihin’ny ambasadaoron’i Afrika Atsimo sady mpitarika vonjimaika ny birao fifandraisan’ny SADC, Mogheti Monaisa. Nisokatra tamin’ny folo ora maraina ny fandrotsahana kadinda ary nikatona tamin’ny dimy ora hariva. Nisy vata mangaraharaha napetraka handrotsahana ny valopy miarakitra ny anaran’ireo kandida. Tamin’ny ora farany vao nibosesika ireo nanan-katolotra ho amin’izany. Mbola nifandirana koa aza ho an’ny Arema satria samy nitondra valopy na i Vaovao Benjamin (Arema) na ingahy Robson (Direction Collégiale).

Nasaina nifandamina izy ireo, na hiara-hofoanana ny kandidan’izy ireo na hifanaraka ka kandida iraisana no hatolotra. Tamin’ireo vondrona politika mpanao sonia ny sori-dalana dia ny TGV no nanamafy fa tsy hanolotra kandida, samy nanana ny azy avokoa, eny fa hatramin’ny ankolafy Zafy Albert nilaza fa tsy mbola hanolotra aza. Rehefa nosokafana ireo valopy voaray ka novakiana ny anarana dia niisa 15 ireo kandida ho praiminisitra voarakitra tao. Vehivavy ny roa, dia i Andréas Monique Esoavelomandroso sy Naika Eliane, miampy an’Atoa isany Robert Razaka, Alain Tehindrazanarivelo, Pierrot Rajaonarivelo, Rakotomavo José, José Vianey, Beriziky Jean-Omer, Manandafy Rakotonirina, Botozaza Pierrot, Monja Roindefo, Hyacinthe Befeno Todimanana, Virapin Ramamonjisoa, Manantsoa Victor ary Robson Jean Victor. Amin’ireo dia efa Praiminisitra ny roa, efa praiminisitra lefitra ny roa, efa minisitra ny efatra, efa ambasadaoro ny roa, ny roa hafa efa Loholon’i Madagasikara ary misy roa mpikamban’ny kongresy ankehitriny koa. Ingahy José Vianey sy Pr Alain Tehindrazanarivelo ary i Pierrot Rajaonarivelo, marihina ihany fa dia efa kandida praiminisitra tamin’ny martsa 2011. Marihina fa tsy anisan’ireo mpanolotra kandida ireo vondrona politika izay nanao Sonia fanohanana ny tondrozotra. Voakasik’izany ireo vondrona elanelam-panahy, tarihin-dRtoa Saraha Georget Rabeharisoa toy izany koa ny GMMR tarihin-dRakotoarisoa Yves Aimé.

Sivily avokoa : Ny tsikaritra dia sivily avokoa izy 15 mianadahy kandida ireo. Vita hatreo ny amin’ny jeneraly Camille Vital. Nisaoran’i Andry Rajoelina manokana izy omaly. Foana teo koa izany, hatreto, ny nofinofin’ireo fikambanana toy ny Escopol non Parlementaire, nanao fanambarana sesilany tamin’ny haino aman-jery fa manohana ny jeneraly Camille Vital ho praminisitra. Raha ny sori-dalana dia manana hatramin’ny 01 novambra 2011 ireo mpanao politika hifanaraka amin’izay ho praiminisitra eo. Omaly anefa dia nolazaina fa dia hotendrena amin’ny 26 oktobra 2011 io praiminisitra io. Manomboka eto izany ny hazakazaka mankeny Mahazoarivo. Raikitra indray koa ny “lobbying” na fifandresen-dahatra ifanaovan’ireo vondrona nanolotra kandida mba hampisongadinana ny an’ny tena.


Samy sy Jean D.


Sary : Ireo kandida Praiminisitra tonga tao amin’ny Le Paon d’Or omaly (sary Rakotobe Michel)

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Praiminisitra Mamitiana Rajaonarison
  • Alakamisy 07 Mey 2026

« Tsy tia an’i Madagasikara

  • Namaly an’i Roland Ratsiraka
  • Alakamisy 07 Mey 2026

ireo fiarahamonim-pirenena

  • Pr Joseph
  • Alarobia 06 Mey 2026

« Ara-dalàna sy valin'ny nataony

  • Fanenjehana an-dRajoelina
  • Alarobia 06 Mey 2026

Hosantarina amin’ny

  • Mbola mafana ny dosie Raholdina
  • Alarobia 06 Mey 2026

Mifanipaka ny resaky ny PAN

  • Antenimierampirenena
  • Alarobia 06 Mey 2026

Raharaha maro hodinihina anatin’ny 60 andro…

Hijery ny tohiny
FTT