Kandida ho filoham-pirenena

Ny 11 septambra izao ny hatsapaka no atao


  • Alarobia 06 Septambra 2023

Mitaky fahatomombanana amin’ny fikarakarana ny fifidianana filoham-pirenena eto Madagasikara ho atao ny 9

novambra 2023 amin’izao fotoana izao ny fianakaviambe iraisampirenena, raha ny fampitam-baovao avy amin’ny vaomiera misahana ny fifidianana eto na CENI omaly. Nomarihina indrindra, hoy ny voalaza, ny mikasika ny fahatomombanan’ny lisitry ny mpifidy. Nisy, noho izany, ny fihaonana teo amin’ny delegasionin’ny sampan-draharahan’ireo firenena miteny frantsay na OIF sy ny filohan’ny CENI, Arsène Dama, tetsy amin’ny biraon’ity farany etsy Alarobia. Teo ny resaka mikasika ny verindroa na “doublons” sy ny fahafaha-mitsirika ny lisitra. 11.000 no isan’ny verindroa ka ny 7000 efa voavaha. Miezaka ny CENI, hoy ny filohany, manao izay azo atao hanadiovana ny lisitry ny mpifidy. Dingana ho any amin’ny fikarakarana araka ny tokony ho izy fifidianana azo antoka, handraisan’ny rehetra anjara, anaty fitoniana no tanjona ary efa azo atao amin’izao fotoana izao ny mijery izay manitikitika rehetra ao amin’ny tranokalan’ny CENI. Ny alatsinainy 11 septambra izao moa no hatao ny hatsapaka fisarihana izay ho filaharan’ireo kandida anaty bileta tokana raha toa ka ny ampitson’io no hampahafantarana amin’ny fomba ofisialy izany filaharana izany, raha tsy misy ny fiovana, hoy ny fampitam-baovao sy fampahatsiahivana voaray hatrany.
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Pastera Heritiana
  • Talata 06 Oktobra 2026

_Fampandrosoana an’i Madagasikara

  • FAMPIHAVANANA POLITIKA
  • Talata 06 Oktobra 2026

Tsy tokony atao fitaovana

  • Fikaonandoham-pirenena
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

Ny Mpitandrina Barinarivo

  • PM Mamitiana Rajaonarison
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

Vahaolana ara-tsosialy maro no

  • FANAVAOZANA NY REPOBLIKA
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

Politika mampandroso no

  • 14 oktobra
  • Zoma 02 Oktobra 2026

Fetim-pirenena ho an'ny Fahafahana

Hijery ny tohiny
FTT