Voafaritra ao anatin’ny didim-panjakana laharana 2019-1541 tamin’ny 14 aogositra lasa mikasika ny fepetra mila fenoin’ireo kandida ny fanamarina fa nandoa hetra ara-dalàna.
Mahakasika ireo hetra sy haba tokony haloa eny amin’ny sampandraharahan’ny hetra na ny GGI io. Noho izany dia misy ny fangatahana ataon’ireo kandida izay tokony hahitana ny asa na andraikitra sahanin’izy ireo, izay hapetraka eny amin’ireo ivon-ketra mahazatra azy ho an’ireo manana ny laharam-pamantarana (NIF), eny amin’ny ivon-ketra akaikin’ny toeram-ponenany ho an’ny hafa. Ho an’ireo kandida manana NIF, dia antontan-taratasy ilaina ny karatra maha mpandoa hetra ara-dalàna. Ho an’ireo mpiasa miasa amin’ny fanjakana sy ny toa azy, dia mila aseho ny taratarasy fanamarinana ny karama tao anatin’ny telo volana farany. Raha miasa amin’ny orinasa tsy miankina dia tsy maintsy manana taratasy fanamarinana avy amin’ny mpampiasa fa efa nalaina ifotony ny hetra IRSA, ary efa voaloa teny amin’ny ivon-ketra misahana izany; ho an’ireo manana asa tsy voafaritra mazava na ireo olona tsy an’asa, dia mandoa ny hetra farany ambany amin’ny “Hetra Tambatra” mitentina 16000Ar ho an’ny telo taona farany. Ho an’ireo kandida mipetraka amin’ny toerana (Distrika) tsy misy biraon-ketra, dia mila manatona ny ivon-ketra akaiky azy indrindra.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.