Kandidŕ gisitra

> Manonofy antoandro


  • Talata 05 Novambra 2013

Mitaky ny fanafoanana ny fifidianana ireo kandida efatra mirahalahy dia i Tehindrazanarivelo Alain, Lahiniriko Jean, Voninahitsy Jean Eugčne ary Noelson William noho ny hamaroan’ny fandikan-dalŕna maro sy ny tsy fahatomombanana.

Nametraka fitoriana momba izay izy ireo omaly. Milaza koa ry zareo fa hampisy krizy vaovao indray ny fahalanian'izay filoha eo satria tsy hisy filaminana aorian'ny fihodinana faharoa. Mbola misy ny fivoriana mivelatra kokoa hotanterahan’izy ireo amin’ny mpiaradia aminy avy anio izay hamoahana fanapahan-kevitra momba izay tokony hatao. Miantso fitoniana amin'ny vahoaka malagasy eo am-piandrasana izany ny vondron’ny kandida. Nasian’izy ireo resaka koa ny filazan’ny filohan'ny FAT momba ny tokony haneken'ny rehetra ny valim-pifidianana. “ Rehefa misy halatra dia tsy ekena mihitsy izany”, araka ny hevitr’izy ireo ihany. Karazan’ny manonofy antoandro ihany izy efatra mirahalahy ireto izay marihina fa vodilaharana avokoa tamin’ny fihodinana voalohany. Tsy misy mahazo 1%-n’ny vato akory mantsy izy ireo, afa-tsy i Voninahitsy Jean Eugène, amin’ny vokatra vonjimaika hatreto. Tsy maintsy hisy ny fanafoanan’ny CES ny voka-pifidianana amin’ny birao fandatsaham-bato sasany nahitana fandikan-dalàna fa tsy hiditra amin’izany revin-gadra izany mihitsy ny Fianakaviambe iraisam-pirenena izay nampiasa ny fomba rehetra hampisy ny fifidianana. Tsy hanaiky lembenana koa ireo kandida nahazo isam-bato betsaka.

Yves

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • PRRM
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

Randrianirina Michael

  • Randy Donny
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

"Novetavetain'ny fanjanahana

  • ANTOKO POLITIKA RPMU
  • Zoma 16 Oktobra 2026

« Tokony hiaraka amin’ny

  • Mirangorango ?
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Manomboka mitombo ireo

  • Malagasy Miara-Miainga
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

"Mbola maro ireo fanamby

Hijery ny tohiny
FTT