Kandida filoham-pirenena

> Tsy mbola matotra ara-politika


  • Zoma 08 Novambra 2013

Efa samy nahafantatra hatrany am-boalohany ireo kandida mpifaninana rehetra tamin’ity fifidianana filoham-pirenena tena miavaka teto Madagasikara ity fa tsy feno tanteraka ireo fepetra hanatanterahana izany. Tsy nisy tamin’izy ireo ihany koa anefa no nitsipaka ny fanatontosana azy io, hoy i Serge Zafimahova mpikambana ao amin’ny “Club Développement et Ethique”.

Ankehitriny dia tsy manana fahamatorana ara-politika ny ankamaroan’ireo mpitarika antoko nirotsaka an-tsehatra handray andraikitra raha ny fitondran-tenan’izy ireo amin’izao fotoana izao mantsy no asiana resaka, hoy ny fanampim-panazavana. Kandida filoham-pirenena izay nihaona, nitafa ary nifandresy lahatra mivantana tamin’ireo olom-pirenena manerana ny Nosy nandritra ny fampielezan-kevitra ary nilokaloka fa vonona ny hanampy ny Malagasy mpiray tanindrazana aminy hiala ao anatin’ny krizy lavareny sy hitondra fampandrosoana ho an’ny firenena. Tsy ankandasitra anefa ny fitantanana ny firenena ka rehefa tsy mety amin’ny sasany dia azo averina sy foanana tsotra izao na dia nandaniana volabe aza avy amin’ireo mpamatsy vola mpiara-miombon’antoka mitentina 66 tapitrisa euros miampy ny vola nomanin’ny firenena Malagasy 60 miliara Ariary. Nampatsiahy ity mpikambana ao amin’ny CDE ity fa tena lesoka goavana ny tsy nahatafidiran’ireo mpifidy manodidina ny 3 tapitrisa tao anaty lisi-pifidianana. Mbola mampanahy ihany koa ny fomba fizotran’ny fivoahan’ny voka-pifidianana ankehitriny izay tena miadana be loatra. Nampahatsiahy i Serge Zafimahova fa efa nandroso hevitra ny amin’ny tokony hirosoana amin’ny fampiasana zana-bolana ho fanafainganana ny fanangonana ny voka-pifidianana ity vondrona ity, indrindra ho an’ireo faritra tena saro-dalana sy tsy azo aleha saingy tsy noraisina izany.

Ramano F.

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • PRRM
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

Randrianirina Michael

  • Randy Donny
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

"Novetavetain'ny fanjanahana

  • ANTOKO POLITIKA RPMU
  • Zoma 16 Oktobra 2026

« Tokony hiaraka amin’ny

  • Mirangorango ?
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Manomboka mitombo ireo

  • Malagasy Miara-Miainga
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

"Mbola maro ireo fanamby

Hijery ny tohiny
FTT