Kandida Feno Sisi

Vonona hitondra fanovana ho an’Andoharanofotsy


  • Alakamisy 24 Oktobra 2024

Kandida ben’ny tanàna atolotry ny Antoko Tia Tanindrazana ao amin’ny Kaominina Andoharanofotsy i Feno Sisi na Doda.

Tsy vaovao eo anivon’ny kaominina satria efa mpanolontsaina monisipaly lany tamin’ny anaran’io Antoko io ihany tamin’ny taom-piasana farany teo, izay efa mifanarana. « Nahita ny ahoana sy ny inona tao amin’ny kaominina. Tsy dia izany loatra anefa fa noho ny antson’ny vahoaka, ka nanaiky ampanetren-tena, vonona hitondra fandrosoana sy fanovana ao amin’ny Kaominina. 5 taona no tao anatin’ny kaominina nahitana ny nety sy ny tsy mety, ka fotoana izao hirosoana amin’ny lalina sy hahafahana mandray andraikitra bebe kokoa. », hoy i Feno Sisi raha nivahiny tao amin’ny Top Radio FM 102.8 omaly maraina. Arofanina, hoy izy, no nisiako tao amin’ny kaominina, fa ny maro an’isa no tena manapaka. Fampandrosoana no tanjona tao anatin’izany, fa ny mpanatanteraka no erany, hoy izy, raha nampahatsiahy fohy ny naha mpanolontsaina monisipaly izay tratry ny be noho vitsy. Efa nanao ny fampahafantarana sy ny fitetezana tokan-trano na « porte à porte », ka ireo no ambetintenin’ny vahoaka : jiro, rano, fahadiovana, tsena,… ka hojerana manokana, raha ny nambaran’i Feno Sisi. Ao anatin’ny vina entin’ny Antoko Tia Tanindrazana ny Fanabeazana, fitsinjaram-pahefana, ary ny nomerika, izay hobataina sy hampiharina ihany koa ao Andoharanofotsy, raha tsy hilaza afatsy ny tontolon’ny nomerika izay entina hanatsarana ny fitantanan-draharaham-panjakana, hoy i Feno Sisi. 45 taona no nipetrahana tao Andoharanofotsy, efa misy sahady ny mpiara-miombon’antoka hanome tany, hanome amin’ny hekitara, ka hilamina isika amin’ny « Parking », hilamina isika amin’ny tsena, fa isika ihany no erany, hoy hatrany i Feno Sisi. Ara-politika kosa, naneho ny ahiahy amin’ny fahadiovan’ny fifidianana izy rehefa nanontaniana, toy ny resaka fanomezana « ordonnance » eny amin’ny tribonaly hahafahana miditra anaty lisi-pifidianana. « Ny tena tsy ao anaty fitondrana, tena miahiahy tanteraka, saingy matoky ny fitondran’Andriamanitra sy ny vahoakan’Andoharanofotsy. 30000 eo ny mpifidy, fa ny vato manan-kery 9000 eo izany hoe 33%, ka 3000 mahery eo matetika no mahalany ben’ny tanàna ka asa hanao ahoana indray ity resaka « ordonnance » ity, hoy i Feno Sisi izay naneho fa efa ao anatin’ny fahamailoana izy ireo.
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Fanenjehana
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

an-dRajoelina, Ntsay Christian,…

  • Nampahatsiahy ny
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

antoko politika Teza

  • Julien Andriamorasata
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

«Iankinan’ny fiainam-pirenena

  • Madagasikara-Frantsa
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Mihenjan-droa ny tady, miverina sarin’ny 2008…

  • ANTOKO PDS
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Handroso làlam-panorenana

  • Raharaha fanakorontanana,
  • Alarobia 29 Aprily 2026

diplaomasia mafampana…

Hijery ny tohiny
FTT