KANDIDA ENY ATSIMONDRANO

Betsaka ireo mijaly amin’ny fahazoana ny « mandat »


  • Alarobia 25 Septambra 2024

Hifarana ny Alakamisy 26 Septambra ho avy izao ny fanaterana ny antontan-taratasy filatsahan-kofidiana

ho an’ireo Kandida Ben’ny tanana manerana ny Nosy. Hatramin’ny omaly Talata 24 Septambra anefa dia mbola misy ireo tsy naharay ny « mandat » na ilay taratasy manendry azy ho Kandida ao anatin’ny fikambanana na antoko misy azy, raha araka ny fanadihadiana natao. Distrika maro no miaina izany ka anisany ny distrikan’Atsimondrano. Amin’ny ankapobeny anefa dia tokony ho efa eny am-pelatanan’izy ireo izany hahafahany miomana amin’ny fifaninanana izay mbola hoatrehiny, indrindra fa ho an’ireo Ben’ny tanana mbola am-perin’asa ary mbola kandida. Raha araka ity fanadihadiana natao ity hatrany moa dia efa nivoaka efa ela ny lisitr’ireo voatendry ho Kandida Ben’ny tanana na ho an’ny fikambanana izany na ho an’ny antoko. Efa any am-pelatanan’ny Sekretera jeneraly ny « mandat » manendry ireo kandida taorian’izany ary ny solombavambahoaka no mizara izany isaky ny Kaominina ho an’ireo hilatsaka amin’ny anaran’ny antoko. Misy solombavambahoaka mbola milaza ho tsy naharay izany anefa ary milaza fa miandry fandaminana na dia efa tsy mitsahatra ny manontany sy mandodom-baravarana aza ireo Kandida Ben’ny tanana voakasika. Fanontaniana napetrak’ireto araka izany ny hoe : fa dia inona loatra ny fahadisoany no hampijaliana amin’ny ora farany tahaka izao izy ireo ? Ary raha sanatria ka misy fiovan’olona inona moa no antony tsy hampahafantarana izany mba hahafahan’ireo Kandida mandray fanapahan-kevitra hafa ?
Pati
Legende : Mbola betsaka ireo Kandida Ben’ny tanana tsy tonga manatitra dosie eny amin’ny OVEC tahaka izao noho ny tsy fahazoana mandat !

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Fanenjehana
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

an-dRajoelina, Ntsay Christian,…

  • Nampahatsiahy ny
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

antoko politika Teza

  • Julien Andriamorasata
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

«Iankinan’ny fiainam-pirenena

  • Madagasikara-Frantsa
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Mihenjan-droa ny tady, miverina sarin’ny 2008…

  • ANTOKO PDS
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Handroso làlam-panorenana

  • Raharaha fanakorontanana,
  • Alarobia 29 Aprily 2026

diplaomasia mafampana…

Hijery ny tohiny
FTT