Kandida depiote ivelan’ny fitondrana

«Mahalala ny fiviliana sy fihoaram-


  • Talata 21 Mey 2024

pefy ataon’ireto namany efa eo am-perin’asa»

Fifaliana ho ahy ny nahafahako nifampitafa sy nizara tamin'ireo kandidà vaovao hilatsaka ho solombavambahoaka manerana ny nosy, hoy ny tale jeneralin’ny fikambanana mampiely baiboly malagasy, Hubert Rakotoarivony. Ezaka nifandrimbonan'ny EISA sy ny firenena mikambana tamin’ny alalan’ireo rantsany dia ny PNUD sy FNUAP no naha tanteraka izany, hoy izy. Tsapa sy hita taratra fa mahalala ny fiviliana sy ireo endrika fihoaram-pefy maro ataon'ireto namany efa eo am-perin'asa izy ireo. Te hitondra fanovana izy ireo. Fampitana haitarika mitaona ny vahoaka ho amin'ny fitsinjovana ny soa iombonana, ny fananana etika moraly hisorohana ny fanararaotam-pahefana sy ny kolikoly ary ny fitantanana ny fahefana ampindramin'ny vahoaka amin’ny tena no anjarako nandritra ny fampiofanana. Mba ho masi-mandidy tokoa anie ny vahoaka amin’ny fifidianana izay heverina fa hitondra ny feony ary tena hiady ho an'ny tombontsoan'ny toerana nihaviana tokoa anie ireo izay ho lany. Safidy ny hijoro amin’izany, hoy hatrany ny tenany.
J. Mirija

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • 14 oktobra
  • Zoma 02 Oktobra 2026

Fetim-pirenena ho an'ny Fahafahana

  • TSIAHIN’NY
  • Zoma 02 Oktobra 2026

TOLONA- TANORA GEN Z

  • Politika ampiharina
  • Zoma 02 Oktobra 2026

eny anivon'ny Minisitera

  • Alain Mahavimbina
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

« Aza mifanilika, ilaina ny tanora,

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

"Tsy sehoseho ivelany

  • Ben’ny tanàna
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

lanim-bahoaka any Betafo

Hijery ny tohiny
FTT