Kandida depiote Elia Rabevahiny

«Dingana iray hanohizana ny tolona ny firotsahana fa tsy tanjona»


  • Talata 16 Aprily 2024

Isan’ireo antoko nanapa-kevitra handray anjara amin’ny fifidianana ny antoko politika Otrikafo

tamin’ity taona ity, hoy ny filohan’izy ireo, Elia Rabevahiny. Niteraka adihevitra tokoa ny anto-bola 20 tapitrisa Ariary ary isan’ny nitsikera izany izahay, hoy izy. Betsaka ireo namana misehatra eo amin’ny politika, olompirenena tsotra manan-kevitra ary hita mihitsy hoe afaka mitondra ny anjara birikiny eo amin’ny fampandrosoam-pirenena, indrindra, amin’ny alalan’ny fitondrana na fanolorana tolo-dalàna isan-karazany eo anivon’ny antenimieram-pirenena hanasoavana ny fiainan’ny vahoaka malagasy. Napetraka nefa moa iny anto-bola ambony dia ambony iny mba hahafahan’ny fitondram-panjakana manintsana ireo tsara sitrapo manam-piniavana hampandroso firenena rehetra. Tokony ovana ny fomba tahaka izany satria raha mbola vola no heverina fa fenitra lehibe indrindra dia ho sarotra ny hampandroso ny firenena. Na ny nikarakara ireo antotan-taratasy samihafa ireo aza efa hita hoe mavesatra. Ny ankamaroan’ireo namana nahaloa anto-bola aza mbola voasivana tamin’ilay karazan-ketra antsoina hoe «211 bis». Nisy koa sakatsakana isan-karazany tsy nahafahan’izy ireo nandoa izay karazan-ketra izay. Marina fa afaka nihoatra ireo rehetra ireo ny Otrikafo saingy na izany aza mampalahelo ilay izy. Raha tarafina ny fahantran’ny firenena dia tsy misy manamarina mihitsy hoe tokony hanana 20 tapitrisa vao afaka mirotsaka ho solombavambahoakan’i Madagasikara. Dingana iray hanohizana ny tolona ny firotsahana ho solombavambahoaka fa tsy tanjona. Tsy manaiky ilay rafitra ankapobeny misy eto izahay. Ao anatiny ny HCC sy CENI. Eo koa ny ara-toekarena, sosialy, fanabeazana. Tsy hampianatra ny zanakay ve izany izahay raha tsy manaiky ny rafitry ny fanabeazana sy fampianarana misy eto? Raha te hanova dia heverina fa dingana iray koa ny firosoana amin’ny fifidianana satria ity na ahoana na ahoana dia fifidianana manakaiky vahoaka raha oharina tamin’iny fifidianana filoham-pirenena iny. Ny tenako manokana, izay kandida ho depiote ao Toliara II, dia filoha lefitry ny FIMA na Fikambanana Masikoro Arivolahy eto Antananarivo. Nisy iny ady nataonay iny toy ny resaka Base Toliara sy ny resaka maro samihafa. Maro ireo karazana kaominina sy fikambanana nangataka ny tena hirotsaka depiote ihany koa mba hirosoana amin’izany ady lalina izany, hoy hatrany i Elia Rabevahiny.
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Fikaonandoham-pirenena
  • Talata 05 Mey 2026

Hanomboka anio ny

  • PAN-Raharaha Naivo Raholdina
  • Talata 05 Mey 2026

«Mbola tsy azo esorina ny

  • Fanenjehana
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

an-dRajoelina, Ntsay Christian,…

  • Nampahatsiahy ny
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

antoko politika Teza

  • Julien Andriamorasata
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

«Iankinan’ny fiainam-pirenena

  • Madagasikara-Frantsa
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Mihenjan-droa ny tady, miverina sarin’ny 2008…

Hijery ny tohiny
FTT