Tsy fahalalana sa fanahy iniana tsotra izao ? Io no fanontaniana manitikitika ireo mpanara-baovao amin’izao fotoana izao manoloana ny fihetsik’ireo kandida solombavambahoaka sasantsasany mandritra ny fampielezan-kevitra izay tanterahan’izy ireo.
Raha ny fahafahantaran’ny olom-pirenena azy amin’ny ankapobeny mantsy dia hisolovava ny hetahetan’ny maro an’isa eny anivon’ny Antenimieram-pirenena no hifidianana ireo depiote miisa 151 ny 20 desambra 2013 ho avy izao. Anjaran’izy ireo avy eo no mamadika izany ho lalàna sy mandresy lahatra ny governemanta amin’ireo asa tena ilain’ny vahoaka. Ny zava-misy tao anatin’ny herinandro nanombohan’ny fe-potoana fandresen-dahatra anefa dia misy ireo kandida mpifaninana no mitokana fotodrafitrasa sy mizara fitaovana samihafa. Ao koa ireo mampanantena zavatra amin’ireo mpifidy. Ny sasany aza moa dia mamiravira vola mihitsy ho an’ireo toerana izay hanome vato betsaka azy aorian’ny fifidianana. “Azo atao ve izany sa tsia ?”, hoy ny fanontanian’ireo olom-pirenena te hahazo valinteny mahafa-po amin’ireo tompon’andraikitra misahana ny fifidianana. Ny eo anivon’ny ministera misahana ny Fifandraisana amin’ireo Andrim-panjakana aloha dia efa nampahatsiahy mazava ny andraikitra sahanin’izany antsoina hoe “solombavambahoaka” izany ka asakasak’ireo izay mihevitra ny tenany ambonin’ny lalàna.
Ramano F.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.