Kandida depiote ao Toamasina I

Mbola niara-nitokan-javatra tamin’ny Filoha


  • Zoma 19 Aprily 2024

Hita ho mbola niara-nitokan-javatra tamin’ny filoham-pirenena, Andry Rajoelina,

tao Toamasina omaly ny kandida ho depiote ao Toamasina I, Rafidison Richard Théodore. Izy moa izay iray lisitra amin’ny kandidan’ny antokon’ny fitondrana ao an-toerana, Naharimamy Lucien Irmah. Governoran’ny faritra Atsinanana ny tenany nialoha izao filatsahan-kofidiana ho depiote izao saingy nampametra-panontaniana ny mpanara-baovao kosa ny nahita azy teo anilan’ny filoham-pirenena omaly nandritry ny fitokanana ny biraon'ny fitaleavan'ny fitantanana ny asam-panjakana na FOP ao Toamasina ity sy ny lalana rarivato na «pavé» ao Mangarivotra. Amin’ny maha inona ny tenany moa izany no nijoroany teo anilan’ny filoham-pirenena tamin’ity fotoana ity? Mbola tsy nametra-pialana amin’ny governora azy ve?
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • 14 oktobra
  • Zoma 02 Oktobra 2026

Fetim-pirenena ho an'ny Fahafahana

  • TSIAHIN’NY
  • Zoma 02 Oktobra 2026

TOLONA- TANORA GEN Z

  • Politika ampiharina
  • Zoma 02 Oktobra 2026

eny anivon'ny Minisitera

  • Alain Mahavimbina
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

« Aza mifanilika, ilaina ny tanora,

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

"Tsy sehoseho ivelany

  • Ben’ny tanàna
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

lanim-bahoaka any Betafo

Hijery ny tohiny
FTT