Nahatsiaro manokana ny vahoaka ao amin’ny Distrikan’Ambatondrazaka ny filoha mpanorina ny fikambanana Alaotra Miray Hina, Rtoa Andriamasimanana Auréline amin’izao fahatongavan’ny taona vaovao izao. Ankoatra ny fisaorany ny vahoaka mpifidy izay nahavita ny anjara adidiny tamin’ny tanindrazana, dia notolorany firariantsoa manokana ireo nisafidy ny fikambanana Alaotra Miray Hina tamin’iny fifidianana solombavambahoaka iny. Nambarany fa mitohy hatrany ny asa soa izay ataon’ny fikambanana ary hezahina hanenika an’i Madagasikara. Tanjona, hoy izy amin’ity taona vaovao ity dia mba samy hahita ny mahasoa azy avy ny vahoaka tsirairay, ary hizotra any amin’ny tena fampandrosoana ny Distrikan’Ambatondrazaka.
Niry A.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.