KANDIDA BONI ALAKAMISY FENOARIVO

Mahaiza mifidy isika feno 18 taona


  • Zoma 06 Desambra 2024

Nanafatra ireo mponina feno 18 taona rehetra ao anatin’ny Kaominina Alakamisy Fenoarivo ny Kandida laharana

faha-2 Rakotobe Andrianaivo Jean Christian na i Boni tohanan’ireo hery velona sy Ray aman-dReny eny Vontovorona sy Alakamisy. Izay olona mahalala ny fahasahiranam-bahoaka sy mahavita raha ny nambarany no tokony hofidiana ho Ben’ny tanana mba hahafahana tena mampandroso marina. Ho azy manokana dia hohampidiriny ao anatin’ny teti-bolan’ny kaominina raha lany soa aman-tsara izy ny sehatry ny fidiovana sy fahadiovana. Efa misy ny rano hoy izy ka hisy ny fanamboarana trano fivoahana ho an’ny daholobe isan-tanana ary tsy handoavam-bola izany. Hotohizana ihany koa ny fanamboarana ny lisea izay natao tamin’ny alalan’ny fitakiana ny hetran-trano hanalana fahasahiranana ny zana-bahoaka. Ho an’ireo tantsaha mpamokatra dia hisy ny fivarotana zezika amin’ny vidiny mirary amin’ny alalan’ilay toerana fanodinana fako vaovao hiarahan’ny Kaominina Fenoarivo sy Alakamisy ary Ampitatafika sy Ambatomirahavavy ka hahazoana zezika 2 taonina isan’andro. Hangotraka ny faradoboka hanakatonany tanteraka ny propagandy araka izany amin’ny Sabotsy 07 Desambra ho avy izao. Hisy ny fiara hitatitra maimaim-poana ny vahoaka mandroso sy miverina. Ny tarika Shayron ….no ho avy hanafana. Hisy ihany koa ny fanaovana choregraphie hoataon’ny Kandida Ben’ny tanana Boni sy ny ekipany ho fanomezana fahafaham-po ny rehetra.
Pati
Legende : Ny Kandida Rakotobe Andrianaivo Jean Christian na i Boni ao Alakamisy Fenoarivo !

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

"Tsy sehoseho ivelany

  • Ben’ny tanàna
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

lanim-bahoaka any Betafo

  • Razafindrandriatsimaniry Marie
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Dieudonné Michel

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Ny Malagasy ihany no

  • Ben’ny tanàna Nosy Hell Ville
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

« Betsaka ny zava-bitako,»

  • FITAKIANA IREO "ILES EPARSES"
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Velona indray ny fanantenana

Hijery ny tohiny
FTT