Lany tamin’ny tsangan-tanan’ny depiote niisa 36 nanaiky ilay volavolan-dalàna lah 002/2018 manova sy mameno ny lalàna lah 2014-020 mikasika ny “ressources des Collectivités Territoriales Décentralisées, aux modalités d’élection, ainsi qu’à l’organisation au fonctionnement et aux attributions de leurs organes”.
Depiote niisa 2 kosa no nananga-tanana nifidy ny « tsy nilaza ny heviny » mikasika ny fandaniana an’ity volavolan-dalàna ity. Raha nifanarahan’ny ministeran’ny atitany sy ireo depioten’i Madagasikara fa nesorina tao amin’ity volavolan-dalàna ity ny mikasika an’ilay famoronana kaominina vaovao dia notanterahina kosa ny famindrana kaominina ny fokontany sasantsasany izay hita fa nisedran’ny mponina ao aminy olana be isaky ny miatrika fifidianana noho ny halavitan-tany ohatra sns… Mbola anisan’ny misongadina ao amin’ity volavolan-dalàna vao lany ity koa ny resaka fifidianana ben’ny tanàna sy mpanolontsain’ny tanàna izay ho lasa lisitra no hifidianana azy manomboka izao ka izay ben’ny tanàna tsy lany dia hijanona ho olon-tsotra fa tsy afaka ho mpanolotsaina intsony. Miandry ny fanapahan-kevitry ny HCC isika amin’ireo fankatoavana na tsia an’ireo volavolan-dalàna vao lany tety amin’ny Antenimieram-pirenena sy teny amin’ny Loholona, hoy ny Praiminisitra Mahafaly Olivier teo am-pivoahana ny Lapan’i Tsimbazaza omaly, ka dia miantso ny vahoaka ho tony fa ho avy eny aminareo ireo solombavambahoakan’i Madagasikara hanazava bebe kokoa mikasika an’ireo lalàna vao nolaniany ireo. Mangataka ihany koa amin’ireo depiote, hoy izy, hanohy ny fifanakalozan-kevitra fa mbola azo hanaovana izany hatrany any amin’ny famoahana ny didy fampiharana an’ireo lalàna ireo.
Ntsoavina Evariste
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.