Kandida ben’ny tanàna ao Ambavahaditokana

Lolitah Rasoarimanana no atolotry ny FTT, MFM, ALDR…


  • Zoma 16 Aogositra 2024

Herintaona lasa teo izay no nitsanganan’ny fikambanana VHL na Vonona hibanjina ny lavitra.

Izy io, hoy ny fanazavan’ny filoha mpanorina azy, Lolitah Rasoarimanana, dia fikambanana entina hanasoavana ny mpiara-belona hijery lavitra kokoa fa tsy ny ambany maso ihany. Nahita aho, hoy ity filoha ity, fa tena mila fanampiana, fampandrosoana ny mponina. Betsaka ny lesoka hitako fa tokony harenina eny anivon’ireo faritra ka nahatapaka hevitra ny tena hanangana fikambanana hanasoavana ny mpiara-belona. Tany am-piandohana moa dia tena izay fotsiny no nananganana azy saingy taty aoriana kosa, rehefa hita fa ilaina ny miditra lalina kokoa amin’ny fandraisana anjara biriky amin’ny fampandrosoana ny tanindrazana sy ny mpiara-belona, ny tena manokana dia zanaky ny kaominin’Ambavahaditokana, dia mahita fa betsaka ny vina tian’ny tena ho avadika tetikasa. Isany, ohatra, ny hoe mijery ny ankamaroan’ireo ankizy eto an-tanàna aho dia tena mahita hoe misy amin’izy ireo no tonga amin’ny kilasy T5 na kilasy faha 6 na faha 5 dia miala satria tsy misy fahafahana ny raiamandreny hanohizany fianarana dia lasa tsy misy hoavy intsony ilay ankizy. Lasa taraiky hatramin’ny taranaka aty aoriana. Tokony hisy izany fampianarana karazana asa tanana toy ny zaitra, mofomamy, taovolo sy ny tariny. Azo atao daholo izany ary azo hanomezana fampiofanana maimaimpoana. Isan’ny sakana tsy hahavitan’ny tanora zavatra foana tsinona ny resaka saram-pianarana. Vina, noho izany, ny hanampy azy ireo maimaimpoana. Miainga amin’ny ankizy sy tanora tsinona ny fampandrosoana. Efa maro ny asa soa vita tao anatin’izay 1 taona nijoroana izay. Isany ny lakana hiampitana etsy amin’ny faritra Ambohimandroso – Ambavahaditokana. Nisy koa ny fatsakàna izay namboarina satria nampitaraina ny mponina. Teo koa ny fizarana ho an’ireo sahirana teny ambany tetezan’Analakely sy ny rehetra. Hatrany amin’iny lalana amin’ny RN 2 rehetra iny aza dia efa nifampizaran’ny VHL izay soa taty aminy izay ary izao mbola ezahinay tohizana izao hatrany. Ny elakelan-trano rehetra izao maizina eto amin’ny faritra Ambavahaditokana sy fokontany maromaro dia efa manomana jiro ho zaraina hanazava azy ireny koa izahay. Vovonana sy fikambanana ary antoko politika maro ankehitriny no miantso ny tena ao anatin’ilay vondrona antsoina hoe «Ambavahaditokana tsy mialon-jafy» ho kandida atolotr’izy ireo hilatsaka ben’ny tanàna eto amin’ny kaominin’Ambavahaditokana dia ny Firaisankinan’ny tia tanindrazana na FTT ao, ny MFM, ny ALDR, ny FIBEMI na Fikambanan’ny betsileo miray ary ny VHL moa, mazava ho azy, hoy hatrany izy, rehefa nahita ny fampandrosoana nentinay ho an’Ambavahaditokana ka vonona ny hirotsaka izahay.
J. Mirija

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Fanenjehana
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

an-dRajoelina, Ntsay Christian,…

  • Nampahatsiahy ny
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

antoko politika Teza

  • Julien Andriamorasata
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

«Iankinan’ny fiainam-pirenena

  • Madagasikara-Frantsa
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Mihenjan-droa ny tady, miverina sarin’ny 2008…

  • ANTOKO PDS
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Handroso làlam-panorenana

  • Raharaha fanakorontanana,
  • Alarobia 29 Aprily 2026

diplaomasia mafampana…

Hijery ny tohiny
FTT